Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) niteny izy : Izaho dia nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :

Available in 61 languages
«Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) niteny izy : Izaho dia nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “Voavela avokoa ny vahoakako afa-tsy izay nanao ampahibemaso ihany. Ary anisan’ny fisehoana ampahibemaso, ny fanaovan'ny olona zavatra amin’ny alina, dia nosaronan’i Allah izany nefa nony maraina, dia hoy izy : Nanao zavatra izao sy izao aho omaly, nefa ny tompony dia nanarona azy nandritra ny alina, ary nony maraina dia nesoriny ny fanakonan’i Allah azy”.»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nazavainy ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpino silamo meloka dia mety hahazo famelan-keloka sy ny famindram-po avy amin'i Allah, afa-tsy izay manambara ny fahotana amin'ny fomba feno fieboeboana sy avonavona ka tsy mendrika ny famelan-keloka. Satria nanao fahotana tamin'ny alina izy ka nosaronan'i Allah, fa rehefa tonga ny maraina, dia nilaza tamin'ny olona izy fa nanao fahotana toy izao sy izao omaly, nefa efa nosaronan'ny Tompony tamin'ny alina, saingy noesoriny ny fanaronan'IAllah azy nony tonga ny maraina!!

Source
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Download image

Saved at original quality