Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny foto-pinoana

Tatitra azo avy tamin'i Abou moussa (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

Available in 66 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Abou moussa (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tompo Allah dia manome fotoana ho an'ireo mpanao ny tsy rariny mpampahory ny olona mandrampitazomany azy, ka rehefa tazominy dia tsy avotsiny intsony". Niteny izy : avy eo dia namaky ny andininy masina hoe : "Ary toy izany ny hamafin'ny sazin'ny tomponao rehefa mikapoka ireo tanàna mpanao ny tsy rariny. Fa mafy sy manaintaina tokoa ny saziny". [hòd :102]"»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Mampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) ny amin’ny fitohizan’ny fanaovana ny tsy rariny amin’ny alàlan’ny fahotana sy ny fanompoan-tsampy ary ny fanambakana ny olona amin’ny zon’izy ireo. Tompo Allah ilay Tsitoha dia manome fotoana ho an’ny mpanao ratsy, mampitarazoka azy, ary manalava ny androm-piainany sy ny fananany, ka tsy manafaingana ny famaizana azy. Raha tsy mibebaka ilay mpanao ny tsy rariny, dia hosazin'i Allah ary tsy havelany intsony noho ny tsy rariny nataony. Avy eo izy miteny hoe : (Ary toy izany ny hamafin'ny sazin'ny tomponao rehefa mikapoka ireo tanàna mpanao ny tsy rariny. Fa mafy sy manaintaina tokoa ny saziny) [hòd :102]".

Source
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Download image

Saved at original quality