Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny Fikh sy ny fitspiny

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Omar (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

Available in 64 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Ibn Omar (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny zava-mahamamo rehetra dia toaka, ary ny zava-mahamamo rehetra dia voarara, ary izay misotro toaka eto an-tany ka maty amin'ny fiankinan-doha amin'izany ary tsy nibebaka, dia tsy hisotro izany any ankoatra."»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nazavain’ny Mpaminany (S.A.W) mazava tsara fa izay rehetra manarona ny saina sy mamery azy dia toaka mahamamo, na zava-pisotro izany, na sakafo, na fohana, na hafa ankoatr'izany, ary izay rehetra mahamamo sy mamery saina dia noraran'i Allah sy nosakanany, na kely aminy na betsaka, Ary izay rehetra nisotro ireo karazana zava-mahamamo ireo ka nanohy nisotro izany ary tsy nibebaka mandra-pahafatiny; dia mendrika ny hahazo famaizan’I Allah izy, ka tsy hisotro izany ao amin’ny Paradisa.

Source
رواه مسلم وأخرج البخاري الجملة الأخيرة منه
Download image

Saved at original quality