Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny Fikh sy ny fitspiny

Tatitra azo avy tamin'i Saa'd bin Abi Waqqàs (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) :

Available in 60 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Saa'd bin Abi Waqqàs (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) : “Izay miteny rehefa mandre ny mpiantso hoe: ‘Ash-hado An là ilàha illàlaho wahdahò là sharìka laho, wa anna mohammadan a'bdoho warasòloho, Radÿto billàhi Rabban Wabimohamadin Rasòlan wa Bil-Islami Dìnan, dia ho voafafa ny fahotany.»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Niteny ny Mpaminany (S.A.W) fa izay miteny rehefa mandre ny mpiantso “Ash-hado An là ilàha illàlaho wahdahò là sharìka laho”, izany hoe : Manamafy aho sy manaiky ary mampahafantatra fa tsy misy tompo marina afa-tsy Allah, ary ny tompo rehetra ankoatra Azy dia sandoka. “Wa anna mohammadan abdohò warasòlohò”, izany hoe: mpanompo tsy azo ivavahana izy ary iraka tsy mandainga. “Radwìto billàhi Rabban - Faly aho amin'ny maha Tompoko an'Allah”, izany hoe : Ny maha Zanahary Azy, ny maha Tompo tompoina Azy, ny amin'ireo Anarany, sy ireo ny Toetoetrany. "Wa bimohammadin Rasòla - Ary i Mohammad dia Iraka", midika hoe: amin'ny rehetra nanirahana azy sy nampitaina taminay. "Wa Bil-Islàmi Dìnan -Ary ny Islamo no finoako", midika hoe : amin'ny lalàna rehetra ao min'ny finoana Islam, amin'ireo didy rehetra fanaovana sy fanakanana. "Dìnan - Finoana" Midika hoe : finoana sy filavoan-defona, “Ho voavela ny helony”, midika hoe : ireo heloka madinika.

Source
Notantaraiin'i Moslim
Download image

Saved at original quality