Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny boky masina CORAN sy ny siansa

Tatitra azo avy amin'i Obay ibn Ka'b (R.A), Niteny ilay Irakan'i Tompo Allah (S.A.W) fa hoe :

Available in 70 languages
«Tatitra azo avy amin'i Obay ibn Ka'b (R.A), Niteny ilay Irakan'i Tompo Allah (S.A.W) fa hoe : " O ! Ry Abal-Monzhir, fantatrao ve ny andininy tena lehibe indrindra ao amin'ny Bokin'I Tompo Allah ? " Namaly Izy ka nanao hoe : Niteny Aho : i Tompo Allah sy ny Irany ihany no Mahalala an'izany. Niteny Izy hoe :" O ! Ry Abal-Monzhir, fantatrao ve ny andininy lehibe indrindra ao amin'ny Bokin'i Tompo Allah ? " Namaly Izy hoe : Niteny Aho : {Alloahou Là ilàha illà howal hay-youle- Qayuòmou} [Al-bakarat: 255]. Nilaza Izy ary nikapohiny kely ny Tratrako, ary Nilaza Izy hoe : " Hitoetra am-pahasambarana tsara ao Am-ponao anie ny fahalalana ry Abal-Monzhir ".»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nanontanian'ny Mpaminany (S.A.W) i Obay ibn Ka'b momba ny andininy ao anatin'ny Bokin'i Tompo Allah, dia nisalasala Izy tamin'ny valiny, avy eo Izy dia Niteny hoe : Ayat Al-Korsy : {Alloahou Là ilàha illà Howale hayuole Qayuòmo }, nanampy Azy i Mpaminany (S.W.A) ary nidomin'ny Mpaminany (S.W.A) tamin'ny Tratrany ho fampahafantarana fa feno fahalalana sy ny fahendrena ny Tratrany, ary nangataka Douan ho Azy mba ho sambatra amin'ny alàlan'ny fahalalana io ary hanamaivana Aminy avokoa izany.

Source
Notantaraiin'i Moslim
Download image

Saved at original quality