Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny foto-pinoana

Tatitra avy tamin'i Ibn Abbas (R.A), izy nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :

Available in 53 languages
«Tatitra avy tamin'i Ibn Abbas (R.A), izy nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Efa nanandrana ny tsiron'ny finoana izay nanaiky an'i Allah ho Tompony, ary ny silamo no finoany, ary i Mohammad no irak'Allah ho aminy"»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Milaza ny Mpaminany (S.A.W), fa ny mpino iray izay marina amin'ny finoany ary tony amin'izany ny fony dia hahita sy hahatsapa ao am-pony ny fisokafana, ny , ny hafaliana, ny mamy ary ny fahafinaretan'ny mfanitarana aha akaiky an'i Allah azy raha afa-po amin'ny zavatra telo ireto izy : Voalohany : Afa-po amin’i Allah amin’ny maha-Tompo Azy, ary izany dia amin’ny famenoana ny fony amin’izay avy amin’I Allah araka ny maha tompo Azy, amin'ny lafiny fizarazarana ny anjaram-pivelomana sy ny toe-piainana, ka tsy hita ao am-pony ny fanoherana amin'izany rehetra izany, ary tsy mitady Tompo hafa afa-tsy Allah izy. Faharoa : Afa-po tamin'ny finoana silamo izy, izany dia ny fisokafan'ny fony amin'ireo adidy aman-draikitra ao amin'ny finoana silamo, ary tsy hitady làlana hafa ankoatra ny finoana silamo. Fahatelo : Afa-po tamin’ny maha Iraka an'i Mohammad (S.A.W), izany dia ny fisokafan'ny fony sy firavoravoany amin’ny zavatra rehetra nentiny tsy misy fisalasalana, ka tsy nanaraka afa-tsy izay mifanaraka tamin’ny sori-dàlany ihany.

Source
Notantaraiin'i Moslim
Download image

Saved at original quality