Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny Fikh sy ny fitspiny

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

Available in 53 languages
«Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Raha maty ny olona iray, dia tapaka ny asany afa-tsy telo : ny fanomezana mitohy maharitra, ny fahalalana mahasoa, na ny zaza hendry izay mivavaka ho azy."»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa mitsahatra amin’ny fahafatesany ny asan’ny maty, ka tsy hahazo soa intsony izy aorian’ny fahafatesany raha tsy amin’ireto zavatra telo ireto: Satria izy no anton'izany : Ny voalohany : fanomezana izay mitohy sy maharitra ny valisoany, tsy misy fahatapahana, toy ny fanolorana masina, ny fananganana moske, ny fihadiana lavadrano, sns. Ny faharoa : Fahalalana mahasoa ny olona, ​​toy ny fanangonana bokim-pahalalana, na fampianarana ny olona iray, ary avy eo dia mampiely izany fahalalana izany ilay olona aorian’ny fahafatesany. Fahatelo : Ny zaza mpino mendrika mivavaka ho an’ny ray aman-dreniny.

Source
Notantaraiin'i Moslim
Download image

Saved at original quality