Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Masondi (R.A) niteny : izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :

Available in 48 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Masondi (R.A) niteny : izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “Hotahin’I Allah anie ny olona nandre zavatra avy taminay ka nampita izany araka ny nandrenesany azy, ka mety ny mpitatitra no mahay kokoa noho ny mpihaino. "»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nangataka Doan i Mpaminany (S.A.W) ho amin'ny fahamoram-panahy sy ny fifaliana ary ny fahatsarana eto an-tany, ary mba ho tarihin'I Allah ho amin'ny fahasoavana sy ny fahasambarana ary ny hatsaran'ny Paradisa any ankoatra; ho an'ny olona izay nandre ny teniny ka nitadidy izany mandra-pampitantarany azy tamin'ny hafa, satria mety ilay nampitaina ny hadith no ho tonga saina kokoa, mahay kokoa ary mahay manatsoaka hevitra kokoa noho ny mpampita ny hadith, ka ny voalohany dia mahay mitadidy sy mampita ny Hadith, fa ny faharoa kosa dia hahatakatra sy hahay maka lesoa kokoa.

Source
Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad
Download image

Saved at original quality