Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : Izay mampitony fahoriana iray amin'ny olona mpino, amin'ny fiainana eto an-tany, Allah dia hampitony azy amin'ny fahorian'ny andro farany. Izay manamora raharaha amin'ny olona sahirana, dia hamorain' I Allah ny raharahany eto an-tany sy any ankoatra. Izay manafina ny henatry ny mpino silamo iray, dia hafenin' I Allah ny henatrany, eto an-tany sy any ankoatra. Allah dia manampy hatrany ny mpanompo raha manampy ny rahalahiny izy. Izay mizotra amin'ny làlan'ny fianarana mba hikatsaka fahalalana dia hamorain'i I Allah ho azy ny làlana mitondra any amin'ny Paradisa. Ary tsy misy andian'olona, mivorivory ao anatin'ny trano iray amin'ireo tranon' I Allah, mamaky ny Bokin' I Allah, ary mifampianatra izany eo amin'ny samy izy ireo, afa-tsy hoe midina amin'izy ireo ny fahatoniana, mandrakotra azy ireo ny indrafo, manodidina azy ireo ny Anjely, ary miresaka azy ireo Allah, amin'ireo (Anjely) any Aminy. Izay latsaka afara noho ny asany, dia tsy aroso aloha noho ny firazanany.Notantaraiin'i Moslim