Ny Fikh sy ny fitspiny
Tatira azo avy tamin'i Abo Saeed Al-Khodri (R.A) niteny : Nivoaka ho any amin'ny toeram-pivavahana nandritra ny Eid-al-Adha na Eid-al -Fitr i Mpaminany (S.A.W), dia nandalo teo amin'ireo vehivavy izy ka niteny manao hoe :
Available in 51 languages
«Tatira azo avy tamin'i Abo Saeed Al-Khodri (R.A) niteny : Nivoaka ho any amin'ny toeram-pivavahana nandritra ny Eid-al-Adha na Eid-al -Fitr i Mpaminany (S.A.W), dia nandalo teo amin'ireo vehivavy izy ka niteny manao hoe : “Ry vehivavy, mamoaha fanomezana, fa hitako anareo no ankamaroan’ireo mponin’ny Afobe. Hoy izy ireo : "Amin"ny inona ry Irak'Allah?". Dia niteny izy hoe : “Manamaro ny ozina ianareo, ary tsy mankasitraka ny ankohonanareo, tsy mbola ahita aho olona tsy ampy saina sy fivavahana noho ny iray aminareo izay vonona kokoa hankany amin’ny fon’ny olona hentitra.” Niteny izy ireo : Ary ahoana ny tsy fahampiana amin’ny fivavahana sy ny sainay ry irak’Allah? Dia hoy izy hoe : “Tsy mitovy amin’ny antsasan'ny fijoroana vavolombelona ataon’ny lehilahy ve ianareo vehivavy?” Hoy izy ireo : “Eny", dia hoy izy : “Izany no ilazana ny tsy fahampian’ny fahiratan-tsainy, ary moave raha tonga fotoana izy dia tsy mivavaka sy mifady hanina?". Hoy izy ireo : "Eny", dia hoy izy : “Izany no tsy fahampian'ny fivavahany".»Meaning translation ·
Saved at original quality








