Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaïra (R.A), Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe :

Available in 48 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaïra (R.A), Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : “Hoy Allah ilay Avo Indrindra : Efa nomaniko ho an’ny mpanompoko mpanao asa soa izay tsy mbola hitan’ny maso, na ren’ny sofina, ary tsy mbola noheverin’ny fon’ny olombelona hatrizay.” Hoy i Abo Horaïrah : “vakio raha tianareo : {Fa tsy misy olona mahalala izay takona aminy mba hampiononana ny masony} [Al-Sajdah: 17] .»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nanambara i Mpaminany (S.A.W) fa Allah ilay Avo Indrindra, dia nilaza manao hoe : Efa nanomana voninahitra ho an’ireo Mpanompoko marina Aho ao amin’ny Paradisa izay tsy mbola hitan’ny maso ny tena maha-izy azy, tsy mbola ren’ny sofina ny filazalazana azy, ary tsy mbola tonga na nandalo tao amin’ny fon’ny olombelona ny tena maha izy azy. I Abo Horaïrah (R.A) dia niteny hoe : Vakio raha tianareo hoe : (Ka dia tsy misy olona mahalala izay takona aminy noho ny fampiononana ny maso). [Al-Sajdah: 17].

Source
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Download image

Saved at original quality