Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny Fikh sy ny fitspiny

Tatitra azo avy tamin'i Abou houraira (R.A) niteny :

Available in 65 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Abou houraira (R.A) niteny : Nisy lehilahy jamba nanatona ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : Ry irak'Allaha ô, tsy manana mpitarika hitarika ahy ho any amin'ny moske aho, ka nangataka tamin'ny irak'Allah izy mba hivavaka any an-trano, dia nomeny alàlana amin'izany izy, ary rehefa niala teo izy dia niantso azy indray i Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : “Maheno fiantsona (Azan) ve ianao? Hoy izy : “Eny.” dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : “dia valio ny antso.”»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nisy lehilahy jamba nanatona ny Mpaminany (S.A.W) ka niteny hoe : Ry irak'Allah ô, tsy manana olona hanampy hitondra ahy amin'ny tànana ho any amin'ny moske mandritra ny vavaka dimy isan'andro aho. Nangataka alàlana tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izy mba tsy handeha moske, ka nomeny alàlana. Ary rehefa nihodina izy dia nantsoina ka nanontanianay hoe : Mandre ny antso ho amin'ny vavaka (Azan) ve ianao? Dia hoy izy : Eny, Dia hoy Mpaminany (S.A.W) hoe : Valio antson'ny mpiantso.

Source
Notantaraiin'i Moslim
Download image

Saved at original quality