Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny Fikh sy ny fitspiny

Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

Available in 54 languages
«Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy misy andro izay hifohazan’ny mpanompo amin’ny maraina, afa-tsy hoe misy anjely roa midina ety an-tany, ka ny anankiray amin’izy ireo miteny hoe : Allah ô, omeo fahasambarana izay manome, ary ny anankiray kosa miteny hoe : Allah ô, omeo fahorina izay mahihitra".»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nanambara ny Mpaminany (S.A.W), fa isan'andro, isaky ny miposaka ny masoandro dia misy anjely roa midina ety an-tany ary miantso, ny iray amin'izy ireo miteny hoe : Allah ô, omeo fahasambarana izay mandany vola amin’ny fankatoavana, amin’ny ankohonany, amin’ny vahiny, ary amin’ny fanomezana an-tsitrapo, ary omeo soa amin’izay laniny izy, ary tahio izy. Hoy kosa ny iray : Allah ô, Omeo fahorina izay mahihitra ary aringano ny hareny izay nohazoniny tamin’izay mendrika azy.

Source
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Download image

Saved at original quality