Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny Fikh sy ny fitspiny

Tatitra azo avy tamin'i Moaz bin Jabal (R.A) niteny hoe :

Available in 54 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Moaz bin Jabal (R.A) niteny hoe : Noraisin'i Irak'Allah (S.A.W) tamin'ny tànany aho ary niteny izy hoe : "Ry Moaz, mianiana amin'I Allah aho fa tena tiako ianao", avy eo dia niteny hoe : Mametraka hafatra aminao aho ry Moaz aza avela mihitsy isaky aorian'ny vavaka ny miteny hoe : "Allahoumma Aainni Alaa-Zikrika Wa shokrika Wahosni ibadatika".»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Noraisin'ny Mpaminany (S.A.W) ny tànan'i Moaz (R.A) ary niteny taminy izy hoe : Mianiana amin'I Allah aho fa tena tiako ianao, ary manoro hevitra anao aho, ry Moaz, mba tsy hitsahatra ny hiteny amin'ny faran'ny vavaka rehetra ny hoe : (Allahoumma Ainni Alaa Zikrika) - izay midika hoe : Allah ô! Ampio aho hahatsiaro Anao - amin’ny teny sy ny asa rehetra izay mampanakaiky ahy amin’ny fankatoavana. (Wa shokrika) -izay midika hoe: ary fisaorana Anao- noho ny fahazoana fahasoavana sy ny fiarovanao amin'ny valifaty, (Wa hosni ibadatika) -izay midika hoe: ary mpanomponao mendrika- amin’ny fahahadiovam-po amin’I Allah sy ny fanarahana ny Mpaminany (S.A.W).

Source
رواه أبو داود والنسائي وأحمد
Download image

Saved at original quality