Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny foto-pinoana

Tatitra azo avy amin'i Mahmod Bin Labid (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

Available in 62 languages
«Tatitra azo avy amin'i Mahmod Bin Labid (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tena marina fa ny zavatra tena atahorako aminareo dia ny fanompoan-tsampy kely.” Hoy ireo mpanara-diany hoe : “Inona no atao hoe fanompoan-tsampy kely ry irak’I Allah? Hoy izy : “Ny fireharehana, Hiteny amin'izy ireo I Allah amin'ny andro farany izay hahazoan’ny olona valisoa noho ny asany : Mandehana any amin’izay nisehosehoanareo teto an-tany ianareo, ary jereo raha mahita valin’asa avy amin’izy ireo ianareo?".»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny zavatra atahorany indrindra amin'ny vahoakany dia ny fanompoan-tsampy kely, izany dia ny: fisehosehoana; manao asa noho ny olona (mba ho hitan'ny olona). Avy eo izy dia nilaza momba ny famaizana ho an'ireo mpisehoseho amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, fa ho lazaina amin’izy ireo hoe : Mandehana any amin’ireo nisehosehoanareo, ary jereo raha manana fahefana hamaly soa anareo sy hanome valisoa ho anareo amin’izany asa izany izy ireo?

Source
Notantarain'i Ahmad
Download image

Saved at original quality