Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Tatitra azo avy tamin'i Solaiman Ibn Sward (R.A) niteny :

Available in 53 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Solaiman Ibn Sward (R.A) niteny : Nipetraka niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho, ary nisy roa lahy nanontany, ny tarehin’iray tamin’izy ireo nivaramena ary nivonto ny lalan-drany, ka hoy ny Mpaminany (S.A.W) : "Fantatro ny teny iray fa raha miteny izany izy, dia hiala aminy ny olana. Raha niteny izy hoe : Mangataka fiarovana amin'IAllah manoloana an'i Satana aho, dia hiala aminy ny olana" Dia hoy izy ireo taminy : ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe “Mitadiava fiarovana amin’I Allah manoloana ny Satana.” Dia hoy izy : Very saina ve aho?»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nisy roa lahy nanozona sy nifanompa teo anatrehan’ny Mpaminany (S.A.W), nivadika mena ny tarehin’iray tamin’izy ireo ary nivonto ny lalan-dra teo amin’ny tendany. Ka hoy i Mpaminany (S.A.W) : Mahafantatra teny iray aho ka raha miteny izany ilay olona tezitra, dia hiala aminy ny fahatezerana, raha miteny izy hoe : Mangataka fiarovana amin’I Allah manoloana ny Satana voaozona aho. Ka hoy izy ireo taminy : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Mitadiava fialofana amin’I Allah manoloana ny Satana. Hoy izy : Adala ve aho?! Nihevitra izy fa ny olona adala ihany no afaka mangataka fiarovana amin’I Allah manoloana ny Satana.

Source
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Download image

Saved at original quality