Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny HADITH sy ny Siansa

Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Amr (R.A), fa tena marina i Mpaminany (S.A.W) niteny ka nanao hoe :

Available in 71 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Amr (R.A), fa tena marina i Mpaminany (S.A.W) niteny ka nanao hoe : “Ampahafantaro ny olona ny avy aty amiko na dia andininy iray monja aza, ary tantarao ny momba ireo Zanak’Isiraely fa tsy misy tsiny ny amin'izany, ary na iza na iza minia mandainga ny amiko, dia aoka hanomana ny seza hipetrahany mandrakizay ao amin'ny Afobe".»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nandidy atsika i Mpaminany (S.A.W) mba hanampita ireo fahalalana rehetra momba azy avy ao amin'ny Boky masina Koroany na ny Sonnat na dia kely aza izany, na dia hoe aza andininy teny ao amin'ny Boky masina Koroany na ny avy ao amin'ny Hadisy, saingy ny fepetra takiana amin'izany kosa dia ny hoe : aoka mba hanànany fahalalana ny zavatra izay aparitany sy hiantsoany ny olona. Avy eo niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : Tsy maninona raha mitantara momba ireo Zanak’Isiraely ny zava-nitranga tamin'izy ireo amin’ny fomba tsy mifanohitra amin’ny lalànantsika. Avy eo izy dia nampitandrina ny lainga atao aminy, ary na iza na iza nandainga taminy, dia aoka izy hanamboatra toerana ho an'ny tenany ao amin'ny Afobe.

Source
Notantarain’i Bokhari
Download image

Saved at original quality