MG
Fikarohana ankapoben momba ny Siunnat
Ny maha zava-dehibe ny Sunnat sy ny lanjany
3 hadiths
Ny maha zava-dehibe ny Sunnat sy ny lanjany
3
3 hadiths
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Amr (R.A), fa tena marina i Mpaminany (S.A.W) niteny ka nanao hoe : “Ampahafantaro ny olona ny avy aty amiko na dia andininy iray monja aza, ary tantarao ny momba ireo Zanak’Isiraely fa tsy misy tsiny ny amin'izany, ary na iza na iza minia mandainga ny amiko, dia aoka hanomana ny seza hipetrahany mandrakizay ao amin'ny Afobe".
Notantarain’i Bokhari
Tatitra azo tamin'i Samorah bin Jondob sy Al-Moghirah bin Sho'bah (R.A) niteny : Nilaza ny mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay milaza Hadith momba ahy izay heverina ho lainga dia voasokajy ho anisan'ny mpandainga izy."
رواه مسلم في مقدمته
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Izay mandainga ny amiko an-tsitrapo, dia efa nametraka ny toerany ao amin'ny Afobe".
Notantarain’i Bokhari sy Moslim