Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny Fikh sy ny fitspiny

Tatitra azo avy amin'i Aqbat Ibn Aamir (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

Available in 54 languages
«Tatitra azo avy amin'i Aqbat Ibn Aamir (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tandremo ny fidirana amin'ny vehivavy." Dia hoy ny lehilahy avy amin'i Answar: Ry irak'Allah, ahoana raha havam-bady? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : “Ny havam_bady mihitsy no fahafatesana”.»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nampitandrina amin’ny fifangaroana amin’ny vehivavy hafa i Mpaminany (S.A.W), ka hoy izy : Tandremo ny tenanareo fandrao hiditra amin’ny vehivavy, na ny vehivavy fandrao miditra aminareo. Nisy lehilahy avy amin'ny Answar niteny hoe : Ahoana raha ny havan’ilay lehilahy? Toy ny rahalahin-dralehilahy, ny zana-drahalahiny, ny dadatoany, ny zanak’olo-mpiray tampo aminy, ny zanaky ny anabaviny, sy ny toy izany, izay afaka manambady azy? Hoy i Mpaminany (S.A.W) : Tandremo izy ireny tahaka ny fitandremanareo ny fahafatesana! Satria miteraka fifandirana sy fahapotehana eo amin’ny finoana ny mijanona irery miaraka amin’ireo havam-bady. Satria ny havan’ny lehilahy ankoatra ny rainy sy ny zanany dia voakasika voalohany amin'ny fandrarana noho ny hafa. Satria ny fijanonana irery miaraka amin’ny havan’ny lahy dia tokony hahasaropiaro kokoa noho ny amin’ny olon-kafa, ary ny ratsy mety hiseho aminy mihoatra noho amin'ny olon-kafa, ary ny fakam-panahy avy aminy no azo inoana kokoa. Mba hahafahany mahazo an-dravehivavy sy irery miaraka aminy tsy misy fanoherana azy, ary satria ilaina izany, ary tsy azo atao ny manakana azy tsy ho eo aminy, araka ny mahazatra ny milefitra amin'izany, dia toy izany koa ny lehilahy mijanona irery amin’ny vadin’ny rahalahiny; Mitovitovy amin’ny fahafatesana raha resaka faharatsiana sy fahalovana izany, fa tsy toy ny lehilahy tsy hafa, izay tsy maintsy ampitandremana.

Source
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Download image

Saved at original quality