Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny Fikh sy ny fitspiny

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :

Available in 62 languages
«Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Ny olona mangalatra ratsy indrindra dia izay mangalatra ny soalat ataony.” Niteny izy hoe : “Ahoana ny fomba ataony mangalatra ny soalat-ny? Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Tsy mahafeno ny fihondrehany na ny fiankohofany.”»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpangalatra ratsy indrindra dia ireo mangalatra amin’ny soalat ataony; satria ny olona maka fananan'ny hafa dia mety hahazoany tombony ihany izany eto an-tany, fa tsy tahaka an’ity mpangalatra ity, satria izy nangalatra ny fahasoavana tambin'asany sy valin-kasasarany. Hoy izy ireo : Ry irak'Allah, ahoana ny fomba hangalarany ny soalat? dia namaly izy hoe :Tsy feno ny fiondrehana sy ny fiankohofana amin'ny soalat-ny; Izany dia noho izy faingana mihondrika sy miankohoka, ary tsy manao izany amin’ny fomba tsara.

Source
Notantarain’i Ibn Hibbàn
Download image

Saved at original quality