Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny Fikh sy ny fitspiny

Tatitra azo avy amin'i Abou Awfa (R.A) niteny hoe :

Available in 63 languages
«Tatitra azo avy amin'i Abou Awfa (R.A) niteny hoe : Rehefa nanandratra ny lamosiny avy niankohoka ny irak’Allah (S.A.W), dia miteny hoe : “Samiallaho liman hamidah - Henon’Allah izay nidera Azy, Ry Allah Tomponay ô! Ho Anao anie ny dera, mameno ny lanitra sy mameno ny tany, ary mameno ny rehetra ankotr'izany izay sitrany.»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Rehefa nanandratra ny lamosiny avy niankohoka amin'ny soalat ny Mpaminany (S.A.W) dia niteny hoe : “Samiallaho liman hamidah - izay midika hoe: Mandré izay midera Azy Allah”, izany hoe : Izay midera an’Allah Tsitoha dia raisin'Allah aminy ny fiderany ary valiny soa izany. Ary avy eo dia nidera an’Allah izy tamin’ny filazana hoe : “Allah Tomponay ô! feno fiderana ho Anao ny lanitra, ary feno ny tany, ary feno izay rehetra sitrakao ankoatr'izany” Fiderana mameno ny lanitra sy ny tany ary ny rehetra eo anelanelany, ary mameno ny rehetra sitrak'Allah.

Source
Notantaraiin'i Moslim
Download image

Saved at original quality