Hadith for the World
Ny fifehezana

Ny tombotsoan'ny fifehezana

5 hadiths

5 hadiths

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny : Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Niteny Allah manao hoe : Ny asa soa rehetra ataon'ny zanak'i Adama dia azy afa tsy ny fifehezana, Izy io dia ho ahy ary ny tenako no hamaly soa ny aminy. Ny fifehezana dia fiaro, Ka rehefa eo am-panatanterahana fifehezana ny iray aminareo, dia aoka tsy hitabataba na hiteny ratsy. Raha misy manompa azy na mitady ady aminy, dia akoa izy hilaza manao hoe: Izaho dia mifehy! Mianiana aho amin'ilay mitazona ny fofon'aiko eo am-pelatànany : "Fa ny fofona ny fofom-bavan'ny mpifehy dia manitra lavitra mihoatry ny fofon'ny ranomanitra misk". Ary ny mpifehy dia manam-pifaliana anakiroa : "Rehefa hisakafo amin'ny hariva dia faly, ary rehefa hifanatrika amin'ny tompony amin'ny andro farany, dia ho faly noho ilay fifehezana nataony".Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عَنْ ‌سَهْلٍ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ: «إِنَّ فِي الْجَنَّةِ بَابًا يُقَالُ لَهُ الرَّيَّانُ، يَدْخُلُ مِنْهُ الصَّائِمُونَ يَوْمَ الْقِيَامَةِ، لَا يَدْخُلُ مِنْهُ أَحَدٌ غَيْرُهُمْ، يُقَالُ: أَيْنَ الصَّائِمُونَ، فَيَقُومُونَ لَا يَدْخُلُ مِنْهُ أَحَدٌ غَيْرُهُمْ، فَإِذَا دَخَلُوا أُغْلِقَ، فَلَمْ يَدْخُلْ مِنْهُ أَحَدٌ».متفق عليه
Tatitra azo avy tamin'i Abou Huorairah (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay nifehy tamin'ny volana Ramadan tamin'ny Fo feno finoana sy fanantenana valisoa amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana vitany teo aloha".Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Rehefa tonga ny Ramadany, dia misokatra ny vavahadin'ny Paradisa, mihidy ny vavahadin'ny helo, ary mifatotra ny devoly."Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عن أم المؤمنين عائشة رضي الله عنها قالت: دخل علي النبي صلى الله عليه وسلم ذات يوم فقال: «هل عندكم شيء؟» فقلنا: لا. قال: «فإني إذن صائم» ثم أتانا يومًا آخر فقلنا: يا رسول الله، أهدي لنا حيس. فقال: «أَرِينيه، فلقد أصبحت صائمًا» فأكل.رواه مسلم