Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny Fikh sy ny fitspiny

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) :

Available in 47 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Rehefa tonga ny Ramadany, dia misokatra ny vavahadin'ny Paradisa, mihidy ny vavahadin'ny helo, ary mifatotra ny devoly."»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa rehefa manomboka ny volana Ramadany dia zavatra telo no hitranga : Ny voalohany : Mivoha ny varavaran’ny Paradisa, ka tsy misy varavarana na dia iray aza mihidy. Ny faharoa : Mihidy ny varavaran'ny helo ary tsy misy varavarana misokatra na dia iray aza. Ny fahatelo : Ny devoly sy ny jiny dia mifatotra amin'ny rojo vy, ka tsy mahavita izay vitany amin'ny fotoana hafa ankoatry ny Ramadany. Izany rehetra izany dia fanomezam-boninahitra an’io volana io, ary famporisihana ho an’izay manao asa soa, toy ny fivavahana, ny fiantrana, ny fahatsiarovana, ny famakiana ny CORAN, sy ny sisa. Ary amin’ny fanalavirana ny fahotana sy ny fandikan-dalàna.

Source
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Download image

Saved at original quality