Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny foto-pinoana

Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ireo mpino (R.A) niteny :

Available in 62 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ireo mpino (R.A) niteny : Nitantara tamin'ny irak'Allah i Ommou Salama momba ny fiangonana hitany tany amin'ny tanin'i Abyssinia, antsoina hoe Maria, ka nolazainy taminy ny zavatra hitany tao momba ny sary vongana. Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ireo dia olona izay, rehefa maty eo amin’izy ireo ny mpanompo mendrika na olo-marina, dia anorenan'izy ireo moske eo ambonin’ny fasany, ary anamboaran'izy ireo sary eo aminy, ireo no zavaboary ratsy indrindra eo imason’I Allah”.»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nitantara tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny Renin'ny mpino Ommou Salama (R.A) fa tamin'izy tany amin'ny tanin'i Abyssinia, dia nahita fiangonana iray - antsoina hoe Maria - nisy sary sy haingo ary sary vongana, noho ny fahagagany amin'izany izy! Nanazava ny antony nametrahana ireo sary ireo ny Mpaminany (S.A.W); Ka niteny izy : Ireo olona lazainao ireo dia raha misy olona iray mendrika maty eo amin'izy ireo, dia hanorenan'izy ireo moske eo ambonin'ny fasany, hivavahana ary hanamboaran'izy ireny sary ireny. Nohazavainy fa izay manao izany dia zavaboary ratsy indrindra eo imason’I Allah ilay Tsitoha. Satria ny fihetsika izany dia mitarika ho amin’ny fanompoan-tsampy.

Source
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Download image

Saved at original quality