MG
Ny Finoana an’Allah ilay Tsitoha
Ny fanokanana an'Allah amin'ny maha-Andriamanitra Azy
14 hadiths
Fanokanana Allah amin'ny maha tompo Azy
2
Ny fanokanana an'Allah amin'ny maha-Andriamanitra Azy
14
Ny Fanokanana an'Allah amin'ireo anarany sy ny toetrany
24
14 hadiths
Tatitra azo avy amin'i Omar Bin Al-Khatwab (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (SAW) manao hoe : “Marina tokoa fa Allah dia mandrara anareo tsy hianiana amin’ny razanareo.” Hoy i Omar : “Mianiana aho amin'I Allah, fa tsy nianiana tamin’izany intsony aho hatramin’ny nandrenesako ny irak’Allah (S.A.W) nandrara izany, tsy nanadino na koa nankatia.
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), ka Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Niteny tompo Allah ilay avo Tsitoha : Izaho mahaleo tena tsy mila mpiara-miombina amiko, izay manao asa fanompoana ka nanambarany ahy amin'ny hafa dia havelako izy sy ny asany".
Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Omar Ibn Al-Khatwab (R.A), niteny hoe : Izaho dia naheno an'i Mpaminany (S.A.W) niteny : “ Aza mihoa-pefy amin'ny fiderana Ahy tahaka ny nideran’ireo vahoaka Kristiana ny Zanak’i Mariamo; Satria Izaho dia mipetraka ho Mpanompony ihany, koa lazao ny teny hoe : Mpanompon’i Allah no sady Iraka avy Aminy ".
Notantarain’i Bokhari
Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (R.A), niteny hoe : Nisy niteny sy nilaza hoe : O ry irak'Allah, iza tokoa no ho sambatra indrindra amin'ny fanelanelanana izay mbola hataonao amin'ny Andro farany Andro ny fitsanganana amin'ny maty ? dia Hoy ilay irak' Allah namaly ka nanao hoe : “ Nihevitra Aho, ry Abou Houraira, fa tsy hisy Olona hanontany Ahy mihintsy ny momba an'io Hadith io talohanao, ka noho ianao hitako mifikitra mafy amin'io Hadith io, ka Ny Olona tena sambatra indrindra amin’ny fanelanelanana izay hataoko amin’ny Andro ny fitsanganana amin’ny maty dia ireo izay milaza fa tsy misy Tompo marina mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah, ao amin’ny fony na ao amin’ny fanahiny".
Notantarain’i Bokhari
Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Bin Massondi (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny iray hafa aho, hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “izay maty tao anatin'ny fiantsoana tompo hafa ankoatra an' I Allah ho mitovy Aminy, dia hiditra amin'ny Afobe” Ary hoy aho hoe : Izay maty tsy miantso zavatra hafa ankoatra an’I Allah dia miditra ny Paradisa.
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عن ابن مسعود رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم : «من أصابته فَاقَة فأنْزَلها بالناس لم تُسَدَّ فَاقَتُهُ، ومن أنْزَلها بالله، فَيُوشِكُ الله له بِرزق عاجل أو آجل».
رواه أبو داود والترمذي وأحمد
عن عبد الله بن مسعود رضي الله عنه عن النبي صلى الله عليه وسلم أنه قال: "أكبر الكبائر: الإشراك بالله، والأمن من مَكْرِ الله، والقُنُوطُ من رحمة الله، واليَأْسُ من رَوْحِ الله".
رواه عبد الرزاق
عن عبد الله بن عكيم رضي الله عنه مرفوعاً: «مَنْ تَعَلَّقَ شيئا وُكِلَ إليه».
رواه أحمد والترمذي
Tatitra azo avy amin'i Twariq Ibn Ashyam (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay miteny hoe : Là ilàha illal-làhou, ary tsy mankato ny zavatra hafa ankoatran'i Allah dia fady ny maka ny harenany sy ny ràny fa ny fitsarana azy dia any amin'ny Tompo Allah.
Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy amin'i Abou Mourtad Al-Ghanawiou (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Aza mipetraka eo ambonin'ny fasana ianareo, ary aza manao Soalat eo aminy ".
Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ireo mpino (R.A) niteny : Nitantara tamin'ny irak'Allah i Ommou Salama momba ny fiangonana hitany tany amin'ny tanin'i Abyssinia, antsoina hoe Maria, ka nolazainy taminy ny zavatra hitany tao momba ny sary vongana. Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ireo dia olona izay, rehefa maty eo amin’izy ireo ny mpanompo mendrika na olo-marina, dia anorenan'izy ireo moske eo ambonin’ny fasany, ary anamboaran'izy ireo sary eo aminy, ireo no zavaboary ratsy indrindra eo imason’I Allah”.
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Mouazy (R.A), Niteny hoe : Nitaingina tao aorian'ny Mpaminany (S.A.W) Aho tamin'ny apondra antsoina hoe : Oufair, dia Niteny Tamiko Izy ny hoe : " O ! Ry Moua'zh, fantatrao va inona ny Zon'i Allah amin'ireo mpanompony, ary inona ihany koa ny Zon'ireo mpanompony amin'i Allah ? " ka Namaly Aho : Tompo Allah sy ny Irany ihany no mahalala izany, ary Niteny Izy ka nanao hoe : fa ny Zon'i Allah amin'ny mpanompony dia ny manompo Azy ary tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa, ary ny Zon'ireo mpanompo amin'i Allah dia tsy manasazy an'izay tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa na dia kely aza ", ka hoy Aho manao hoe : O ! Ry Iraka'Allah moa va tsy holazaiko amin'ny olona rehetra izany? Dia namaly izy (S.A.W) ka nanao hoe : "Aza ambara fa manjary miankin-doha amin'izany avokoa izy ireo ".
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Jàbir (R.A) Niteny hoe : Nisy lehilahy iray tonga teo anatrehan'ny Mpaminany (S.A.W) ka Niteny Izy nanao hoe : O ! ry Irak'Allah, Inona ireo adidy lehibe roa? namaly izy ka nanao hoe : " Izay maty tsy nanambatra fanompoana an'i Tompo Allah tamin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Paradisa, ary izay maty ka nanambatra fanompoana an'i Allah amin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Afobe "
Notantaraiin'i Moslim
عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «إِنَّ اللهَ يَرْضَى لَكُمْ ثَلَاثًا، وَيَكْرَهُ لَكُمْ ثَلَاثًا، فَيَرْضَى لَكُمْ: أَنْ تَعْبُدُوهُ، وَلَا تُشْرِكُوا بِهِ شَيْئًا، وَأَنْ تَعْتَصِمُوا بِحَبْلِ اللهِ جَمِيعًا وَلَا تَفَرَّقُوا، وَيَكْرَهُ لَكُمْ: قِيلَ وَقَالَ، وَكَثْرَةَ السُّؤَالِ، وَإِضَاعَةِ الْمَالِ».
رواه مسلم