MG
Ny Finoana an’Allah ilay Tsitoha
Fanokanana Allah amin'ny maha tompo Azy
2 hadiths
Fanokanana Allah amin'ny maha tompo Azy
2
Ny fanokanana an'Allah amin'ny maha-Andriamanitra Azy
14
Ny Fanokanana an'Allah amin'ireo anarany sy ny toetrany
24
2 hadiths
Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Bin Massondi (R.A) niteny : Nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) aho hoe : Inona no fahotana lehibe indrindra eo imason’I Allah? Hoy izy : “Ny fanaovanao zavatra hafa hiombona amin’I Allah nefa Izy no nanamboatra anao.” Hoy aho : “Lehibe tokoa izany.” Hoy aho hoe : Inona aorian'izany? Hoy izy : “Ny hamonoanao ny zanakao; noho ny fatahoranao sao hiara-mihinana aminao izy.” Hoy aho : Dia inona aorain'izany? Hoy izy : “Ny fijangajangana amin’ny vadin’ny namanao.”
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.A) : Nitaingina biby i Mpaminany (S.W.A) niaraka tamin'i Mouaz Ibn Jabal tao aoriany, ka hoy izy : "O! Ry Moa'zh ibn Jabal" Namaly izy hoe : "Eny mihaino anao aho ry irak'i Allah!". Naveriny in-telo izany, avy eo dia niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : " Tsy misy olona mijoro ho vavolombelona marina avy ao am-pony fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mouhammad no irak'Allah, afa-tsy ataon'i Allah fady azy ny Afobe". Hoy i Mouaz : "Holazaiko amin'ny olona ve izany mba hahafaly azy ireo?". Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) : “Sao dia lasa miantehitra amin'izany izy ireo”. Dia nolazain'i Mouaz ihany izany talohan'ny nahafatesany mba tsy ho tsiny aminy.
Notantarain’i Bokhari sy Moslim