Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny foto-pinoana

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), ka Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe :

Available in 70 languages
«Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), ka Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Niteny tompo Allah ilay avo Tsitoha : Izaho mahaleo tena tsy mila mpiara-miombina amiko, izay manao asa fanompoana ka nanambarany ahy amin'ny hafa dia havelako izy sy ny asany".»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Manambara atsika i Mpaminany (S.A.W) fa i Tompo Allah Niteny ka nanao hoe : Fa Izy dia mahaleo tena ka tsy mila mpiara_miombona Aminy na dia kely aza, Izy dia mahaleo tena amin'ny zava-drehetra, ary raha manao asa fanompoana ny Olombelona iray ka nataony ho an'i Tompo Allah sy ankoatrany ihany koa; dia havelan'i Tompo Allah izany asa izany ary tsy ho raisiny mihitsy ny zavatra nataony, ary averiny any amin'ny tompony ilay asa. Ka tsy maintsy atao am_po madio ho an'ny Tompo Allah ny asa, satria Izy Tompo Allah ilay avo Tsitoha, dia tsy mandray no sady tsy manaiky afa-tsy izay natao ho azy irery ihany.

Source
Notantaraiin'i Moslim
Download image

Saved at original quality