Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny foto-pinoana

Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :

Available in 63 languages
«Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Ny vavaka tena mavesatra indrindra ho an’ireo mpihatsaravelatsihy dia ny vavaka hariva (Icha) sy ny maraina (Fajr), ary raha fantan'izy ireo ny ao aminy, dia ho tonga hanao izany izy ireo na dia handady aza. Efa saika handidy ny amin'ny fananganana ny soalat aho, avy eo handidy lehilahy iray hitarika ny olona amin’ny soalat, aorian'izany aho handeha ka misy lehilahy maro miaraka amiko mitondra kitay ho any amin’ny vahoaka tsy manatrika ny soalat ka hodorako amin’ny afo ny tranony.”»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Manambara ny Mpaminany (S.A.W) ny momba ireo mpihatsaravelatsihy sy ny hakamoan'izy ireo amin'ny fanatrehana ny soalat, indrindra ny Icha sy ny Fajri, ary raha fantany ny habetsaky ny valisoa sy ny vokatsoa amin'ny fanatrehana azy ireo miaraka amin'ny vondron'ny mpino silamo, dia ho nanatrika izany izy ireo na dia nandady aza toy ny zaza mandady eo amin’ny tànany sy ny lohaliny. Nanapa-kevitra ny Mpaminany (S.A.W) ny hanao ny soalat, ary hanendry lehilahy iray hitarika ny olona eo amin'ny toerany, ary avy eo dia handeha hiaraka aminy ireo olona mitondra amboara kitay ho any amin'ny olona tsy manatrika ny vavaky amin'ny moske, ary hodorany amin'ny afo ny tranon'izy ireo; Noho ny hamafin'ny fahotana izay nataony tamin'izany lafiny izany, - nefa tsy nanao izany izy - noho ny vehivavy sy ny zaza tsy manan-tsiny ary ny hafa izay afa-tsiny sy tsy manan-tsiny tao an-tokantrano.

Source
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Download image

Saved at original quality