Hadith for the World
Ny Swalat

Ny tombotsoan'ny Swalat

10 hadiths

10 hadiths

Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Ny vavaka tena mavesatra indrindra ho an’ireo mpihatsaravelatsihy dia ny vavaka hariva (Icha) sy ny maraina (Fajr), ary raha fantan'izy ireo ny ao aminy, dia ho tonga hanao izany izy ireo na dia handady aza. Efa saika handidy ny amin'ny fananganana ny soalat aho, avy eo handidy lehilahy iray hitarika ny olona amin’ny soalat, aorian'izany aho handeha ka misy lehilahy maro miaraka amiko mitondra kitay ho any amin’ny vahoaka tsy manatrika ny soalat ka hodorako amin’ny afo ny tranony.”Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), fa niteny i Mpaminany (S.A.W) ka nanao hoe : "Ny vavaka dimy isan'andro, ny vavaka zoma hatramin'ny zoma manaraka, ary ny ramadany hatramin'ny ramadany manaraka, dia famafana ny eo anelanelan'izy ireo raha miala amin'ny fahotana lehibe."Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy amin'i Maadan Ibn Abi Toalha Al-Yamari niteny izy : Nihaona tamin’i Thawban, mpanampin'ilay Irak'Allah (S.A.W) aho ka niteny taminy hoe: Lazao ahy ny asa iray ataoko izay hampidiran'i Allah ahy any amin'ny Paradisa? Na noteneniko koa hoe : Ny asa tena tian'i Allah indrindra, dia nangina izy avy eo nanontaniako indray dia nangina, ary nanontaniako faninteloy izy ka namaly hoe : Efa nanontaniako an'ny Mpaminany (S.A.W) izany dia namaly ahy izy hoe : aoka ianao hiankohoka betsaka amin'I Allah, satria tsy miankohoka eo amin'I Allah ianao amin'ny fiankohofana iray afa-tsy hoe ampiakarin'I Allah ny voninahitrao, ary hamafany ny fahotanao" Dia niteny i Maadan hoe : avy eo nifanena tamin'i Abo Dardaa aho ka nanontany azy dia namaly ahy mitovy amin'izay voalazan'i THaobani tamiko izy.Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) niteny : Izaho dia nahare an'ilay Irak'allah (S.A.W) niteny manao hoe : “Hitanareo ve fa raha nisy renirano teo am-baravaran’ny anankiray aminareo izay nandroany in-dimy isan’andro, moa ve sahy hilaza ianareo fa mbola tavela loto eo aminy? Hoy izy : Tsy hisy loto tavela intsony eo aminy, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Toy izany ny vavaka dimy isan’andro, izay hamafan’i Allah ny ota.”Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Jondob bin Abdillah Al-Qusri (R.A) , dia hoy Izy Nilaza fa : Ny Irakan'i Tompo Allah (S.A.W) Nilaza ka nanao hoe : " Na iza na iza ny manao ny Vavaka maraina (Soalat Sobhy) dia eo ambanin'ny fiarovan'i Tompo Allah, ka i Tompo Allah dia tsy hangataka na inona na inona Aminareo zavatra ho Azy velively na dia kely aza fa izay hangataka na inona na inona Aminao ho Azy dia hanipy Azy amin'ny tavany any amin'ny afon'ny Helo."Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abo Zohair Omarat Ibn Roaya (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy hisy hiditra amin’ny afo izay mivavaka maraina alohan’ny fiposahan’ny masoandro na sy ny hariva mialohan'ny filentehan’ny masoandro.”Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy amin'i O'thman (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy misy mpino silamo izay manatanteraka Swalat dimy, tsy ka manao ozò tsara, tamim-pahatahorana, fiankohofana tsara, dia hamafa ny ota vitany teo aloha, raha tsy nanao fahotana lehibe izy, ary izany dia mandavan-taona.”Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abi Màlik Al -Ach'ary (R.A) niteny : Niteny ilay Irak'Allah (S.A.W) manao hoe : " Ny fidiovana dia tafiditra ho anisany an-tsasakin'ny finoana; ary ny fitenenana hoe : "Alhamdolillah " (Dera sy vonahitra ary fisorana feno fankasitrahana ho an'i Allah) dia mameno ny mizana; vato fan-dajana ny fitenenana hoe : " Soubehànallwahi wal-hamdolillàhy " (Midera sy mankasitraka an'i Allah) dia mameno ny manelanelana ny lanitra sy ny tany izany ; ny Soalat (fanompoam-pivavahana an'i Allah) dia hazavana; ny Soadakat (fanomezana an-tsitrapo) dia porofo (amin'ny fahamarinan'ny finoana); ny faharetana dia fanilo, ary ny boky masina Koroany dia porofo miaro Anao amin'ny rehetra na mety manohitra Anao ihany koa. Ka ny olona rehetra dia samy mivoaka avokoa amin'ny maraina, ary mivarotra ny tenany (amin'ny alalàn'ny fampiasana azy mba hahazoana ny takalo izay ilaina), ka na manavotra azy Izy amin'izany, na koa mandentika azy. "Notantaraiin'i Moslim
عن ربيعة بن كعب الأسلمي قال: كنتُ أبيتُ مع رسول الله صلى الله عليه وسلم فأتيتُه بوَضوئه وحاجته فقال لي: «سل» فقلت: أسألك مرافقتك في الجنة. قال: «أو غير ذلك؟» قلت: هو ذاك. قال: «فأعني على نفسك بكثرة السجود».رواه مسلم
عن عائشة عن النبي صلى الله عليه وسلم قال: «ما من ميت تصلي عليه أُمَّةٌ من المسلمين يبلغون مائة، كلهم يشفعون له، إلا شفعوا فيه».رواه مسلم