Hadith for the World
Fikh ny fivavahana

Ny Swalat

126 hadiths

126 hadiths

Tatitra azo avy tamin'i Abo Said Al-Khodri (RA), niteny i Mpaminany (SAW) manao hoe : "Rehefa mandre ny antso ho amin'ny vavaka ianareo (Azan) dia averenonareo izay lazain'ilay mpiantso."Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Anas Ibn Malik (R.A), Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : "Ahitsio ny filaharanareo, fa ny fahitsian'ny filaharana anisan'ny mahatomombana ny fivavahana Swalat."Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عن عبد الله بن زيد بن عاصم المازني رضي الله عنه قال: (شُكِيَ إلى النبيِّ صلى الله عليه وسلم الرَّجلُ يُخَيَّلُ إِليه أنَّه يَجِد الشَّيء في الصَّلاة، فقال: لا ينصرف حتَّى يَسمعَ صَوتًا، أو يَجِد رِيحًا).متفق عليه
Tatitra avy tamin'i Abou Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy matahotra ve ny iray aminareo, na : Tsy mba misy matahotra ve ianareo, raha mampiakatra ny lohany alohan'ny Imam, ka hataon’Allah ho lohan’ny apondra ny lohany, na hataon’Allah tahaka ny apondra ny endriny.”Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Tsy misy soalat manoloana ny sakafo efa vonina, na ho n'izay poretin'ny loto roa".Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Mas'ond (R.A), Niteny manao hoe : Nampianatra ahy ny Tashahhoud ny Irak'allah (S.A.W) tamin'izany ny tanako teo anelanelan'ny tanany, tahaka ny nampianarany ahy ny Sorah avy ao amin'ny kor’any: "Attahiyàto Lillàhi waswalawàto watwaybàto; Assalamo alaika ayohan Nabio warahmatollahi wabarakatoho. Assalamo alaina wa a'là Ibadillahi swalihina. Ash'hado An la'ilaha illallaho wa Ash'hado anna Mohammadan a’bdohò warasòlohò". Amin'ny voambolana niarahan'izy roa nitatitra: " Ny tena marina fa Allah ilay Fiadanana (salam) fa rehefa mipetraka ny iray aminareo manao ny fivavahany, dia aoka hiteny manao hoe: Attahiyato Lillahi waswalawato watwaybato; assalàmo alaika ayohan Nabio warahmatollahi wabarakatoho. Assalamo a’laina wa aa'la Ibadillahi swalihina, rehefa niteny izany izy dia ho azon'ny mpanompo mendrika rehetra ety an-tany sy any an-danitra ny hatsarana amin'ny fitenenana izany; Ash'hado An la'ilaha illallaho wa Ash'hado nna Mohammadan a’bdohò warasòlohò, orian'izany izy dia manao izay do'a tiany ho atao"Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عن أبي موسى الأشعري رضي الله عنه قال: خَسَفَت الشمس على زمان رسول الله صلى الله عليه وسلم . فقام فَزِعًا، ويخشى أن تكون الساعة، حتى أتى المسجد، فقام، فصلى بأطول قيام وسجود، ما رأيته يفعله في صلاته قطُّ، ثم قال: إن هذه الآيات التي يُرْسِلُهَا الله عز وجل : لا تكون لموت أحد ولا لحياته، ولكن الله يُرْسِلُهَا يُخَوِّفُ بها عباده، فإذا رأيتم منها شيئا فَافْزَعُوا إلى ذكر الله و دُعَائِهِ وَاسْتِغْفَارِهِ.متفق عليه
Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny : "Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao Doan sy niteny hoe : "Allahomma Innì Aò'zho bika min a'zhàbil-qabri, wamin a'zhàbin-nàri, wamin fitnatil-mah'yà wal-mamàti, wamin fitnatil-masihid-dajjàl". Amin'ny Moslim indray izy miteny hoe : "Rehefa nahavita ny Tashahod farany ny iray aminareo dia mangataha fiarovana amin'ny zavatra efatra : amin'ny sazin'Afobe, sazy ao am-pasana, fitsapana ami'ny fahavelomana sy ny amin'ny fahafatesana, ary ny amin'ny ratsy entin'ilay mpaminany sandoka" dajjal".Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abou Horaira (R.A) niteny izy : Rehefa nanao Takbir tamin'ny vavaka ny irak'Allah, dia nangina kely talohan'ny nitenenany, ka hoy aho : Ry irak'Allah ô, noho ny reniko sy ny raiko, inona no zavatra teneninao amin'ny fahanginana kely nataonao? Dia hoy izy namaly : “Miteny aho : Allah ô, halaviro amin’ny fahotako aho tahaka ny nanalaviranao ny Atsinanana sy Andrefana, Allah ô, diovy aho ho afaka amin’ny fahotako tahaka ny fanadiovana ny akanjo fotsy amin’ny loto“, Allah ô, sasao amin'ny fahotako aho amin’ny ranomandry sy ny rano ary ny havandra".Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Raha miteny amin'ny namanao ianao hoe : Mangina, amin'ny andro zoma, raha mbola manao toriteny ny imam, dia efa diso fiteny ianao."Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Jabir Ibn Abdillahi (R.A), niteny : I Mpaminany (S.A.W) nampianatra anay ny vavaka Istikhara amin'ny raharaha rehetra tahaky ny fampianarany anay ireo Sorat ao amin'ny Coran ka niteny manao hoe : “Raha misy iray aminareo miahiahy momba ny zavatra iray, dia aoka izy hanao rakaat roa ankoatry ny vavaka tsy maintsy atao, dia miteny avy eo hoe : Allah ô, mangataka fitarihana Aminao amin’ny fahalalanao aho ary mitady fiarovana Aminao amin’ny alàlan’ny herinao, ary mangataka Aminao ny amin’ny fahasoavanao lehibe aho, satria Ianao mahefa fa izaho kosa tsy mahefa, ary Ianao no mahalala fa izaho dia tsy mahafantatra, ary Ianao no mahalala ny tsy hita maso rehetra, Allah ô, raha fantatrao fa mahasoa ahy ity zavatra ity amin’ny fivavahako sy ny fivelomako ary ny fiafaran’ny raharahako", na koa izy hiteny hoe : “Ny raharahako ankehitriny sy ny ho avy, dia ataovy ho ahy izy io ary ataovy mora amiko izany, dia tahio aho. Ary raha fantatrao fa ratsy amiko izany raharaha izany eo amin’ny fivavahako, ny fivelomako, ary ny fiafaran’ny raharahako”, na koa izy hiteny hoe : “amin’ny raharahako ankehitriny sy ny ho avy, dia esory amiko izany”. Ary avilio hiala amin’izany aho, ary tendreo ho ahy izay tsara na aiza na aiza misy azy, dia hoy Izy : “Ary nanonina ny anaran'ilay zavatra ilainy".Notantarain’i Bokhari
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : “ Tompo Allah ô, Aza atao toy ny sampy ny fasako; ka dia hozonin’i Tompo Allah anie ireo Olona izay naka ny fasan’ny Mpaminaniny ho toeram-pivavahana ".Notantarain'i Ahmad
Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Ny vavaka tena mavesatra indrindra ho an’ireo mpihatsaravelatsihy dia ny vavaka hariva (Icha) sy ny maraina (Fajr), ary raha fantan'izy ireo ny ao aminy, dia ho tonga hanao izany izy ireo na dia handady aza. Efa saika handidy ny amin'ny fananganana ny soalat aho, avy eo handidy lehilahy iray hitarika ny olona amin’ny soalat, aorian'izany aho handeha ka misy lehilahy maro miaraka amiko mitondra kitay ho any amin’ny vahoaka tsy manatrika ny soalat ka hodorako amin’ny afo ny tranony.”Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عن أبي هريرة رضي الله عنه مرفوعًا: «صلاة الرجل في جماعة تَضعُفُ على صلاته في بيته وفِي سُوقِه خمسا وعشرين ضِعفًا، وذلك: أَنَّه إِذَا تَوَضَّأ، فَأَحسَن الوُضُوء، ثمَّ خرج إلى المسجد لاَ يُخرِجُهُ إلاَّ الصلاة؛ لَم يَخْطُ خُطوَةً إِلاَّ رُفِعَت له بِها درجة، وَحُطَّ عَنهُ بها خطيئة، فإذا صلَّى لم تزل الملائكة تُصَلِّي عليه، ما دام في مُصَلاَّه: اللهُمَّ صَلِّ عليه، اللهم اغفِر له، اللهم ارْحَمه، ولا يزال في صلاة ما انتظر الصلاة».متفق عليه
عن عائشةَ أمِّ المؤْمنِين رضي الله عنها قالت: لَمْ يَكُنِ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ عَلَى شَيْءٍ مِنَ النَّوَافِلِ أَشَدَّ مِنْهُ تَعَاهُدًا عَلَى رَكْعَتَيِ الفَجْرِ.متفق عليه
Tatitra azo avy tamin'i Moaz bin Jabal (R.A) niteny hoe : Noraisin'i Irak'Allah (S.A.W) tamin'ny tànany aho ary niteny izy hoe : "Ry Moaz, mianiana amin'I Allah aho fa tena tiako ianao", avy eo dia niteny hoe : Mametraka hafatra aminao aho ry Moaz aza avela mihitsy isaky aorian'ny vavaka ny miteny hoe : "Allahoumma Aainni Alaa-Zikrika Wa shokrika Wahosni ibadatika".رواه أبو داود والنسائي وأحمد
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), fa niteny i Mpaminany (S.A.W) ka nanao hoe : "Ny vavaka dimy isan'andro, ny vavaka zoma hatramin'ny zoma manaraka, ary ny ramadany hatramin'ny ramadany manaraka, dia famafana ny eo anelanelan'izy ireo raha miala amin'ny fahotana lehibe."Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy amin'i Maadan Ibn Abi Toalha Al-Yamari niteny izy : Nihaona tamin’i Thawban, mpanampin'ilay Irak'Allah (S.A.W) aho ka niteny taminy hoe: Lazao ahy ny asa iray ataoko izay hampidiran'i Allah ahy any amin'ny Paradisa? Na noteneniko koa hoe : Ny asa tena tian'i Allah indrindra, dia nangina izy avy eo nanontaniako indray dia nangina, ary nanontaniako faninteloy izy ka namaly hoe : Efa nanontaniako an'ny Mpaminany (S.A.W) izany dia namaly ahy izy hoe : aoka ianao hiankohoka betsaka amin'I Allah, satria tsy miankohoka eo amin'I Allah ianao amin'ny fiankohofana iray afa-tsy hoe ampiakarin'I Allah ny voninahitrao, ary hamafany ny fahotanao" Dia niteny i Maadan hoe : avy eo nifanena tamin'i Abo Dardaa aho ka nanontany azy dia namaly ahy mitovy amin'izay voalazan'i THaobani tamiko izy.Notantaraiin'i Moslim
عن أبي هريرة رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم : «إذا قَام أحَدُكُم من الليل، فَاسْتَعْجَمَ القرآن على لِسَانه، فلم يَدْرِ ما يقول، فَلْيَضْطَجِع».رواه مسلم
Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay nitsangana amin'ny alin'ny lahatra (Laylatoul-kadri) tamin'ny fo feno finoana sy fanatenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha".Notantarain’i Bokhari sy Moslim
وعن سالم بن عبد الله بن عمر بن الخطاب رضي الله عنهم عن أبيه: أن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال: « نِعْمَ الرَّجُلُ عبد الله، لو كان يُصلِّي من الليل» قال سالم: فكان عبد الله بعد ذلك لا يَنامُ من الليل إلا قليلًا.متفق عليه
Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Ny soalat miangona ataon'ny olona dia mihoatra ny roapolo manana amby ambaratonga, noho ny soalat ataony ao an-tranony sy any an-tsenany. Satria raha misy ny iray amin'izy ireo nanao ozò ka nataony tsara ny ozò-ny, avy eo dia tonga tao amin'ny moske, tsy nisy nanetsika azy afa-tsy ny soalat ihany, ary ny hivavaka ihany no nilainy, ka isaky ny mamindra izy dia ho ampiakarin'i Allah arak'izany ny voninahiny, ary ho fafany arak'izany ny fahotany mandram-pidirany any amin'ny moske. Rehefa miditra ny moske izy dia efa tafiditra ao anaty soalat raha toa ka ny soalat no mitazona azy ao aminy (Moske), ary ny Anjely mivavaka ho an’ny anankiray aminareo raha mbola eo amin’ny toerana nivavahany izy, ka hiteny manao hoe : Allah ô, mamindrà fo aminy, Allah ô, mamelà azy, Allah ô, raiso ny fibebahany, raha mbola tsy nanao ratsy izy, na koa namoaka loto kely (mbola tsy simba ny ozò-ny)".Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عن أبي ذر رضي الله عنه قال: قال النبي صلى الله عليه وسلم :«عُرِضَتْ عَلَيَّ أعمالُ أُمتي، حَسَنُهَا وسَيِّئُهَا فَوَجَدتُ في مَحَاسِنِ أَعْمَالِهَا الأَذَى يُمَاطُ عَنِ الطَّرِيقِ، ووَجَدتُ في مَسَاوِئِ أَعْمَالِهَا النُّخَاعَةُ تَكُونُ في المَسْجِدِ لا تُدْفَنُ».رواه مسلم
عن عائشة رضي الله عنها قالت: كان رسولُ اللهِ صلى الله عليه وسلم إذا فَاتَتْهُ الصَّلَاةُ مِنَ الليلِ مِن وَجَعٍ أَوْ غَيْرِهِ، صَلَّى من النَّهَارِ ثِنْتَيْ عَشْرَةَ رَكْعَةً.رواه مسلم