Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny Fikh sy ny fitspiny

Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny :

Available in 60 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny : "Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao Doan sy niteny hoe : "Allahomma Innì Aò'zho bika min a'zhàbil-qabri, wamin a'zhàbin-nàri, wamin fitnatil-mah'yà wal-mamàti, wamin fitnatil-masihid-dajjàl". Amin'ny Moslim indray izy miteny hoe : "Rehefa nahavita ny Tashahod farany ny iray aminareo dia mangataha fiarovana amin'ny zavatra efatra : amin'ny sazin'Afobe, sazy ao am-pasana, fitsapana ami'ny fahavelomana sy ny amin'ny fahafatesana, ary ny amin'ny ratsy entin'ilay mpaminany sandoka" dajjal".»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Ny Mpaminany (S.A.W) dia nangataka fiarovana tamin'Allah momba ny zavatra efatra taorian'ny tasahhoda farany sy talohan'ny famaranana ny vavaka, ary nandidy antsika izy mba hitady fiarovana amin'Allah amin'izany : Ny voalohany : Amin'ny sazy ao am-pasana. Ny faharoa: amin’ny sazy ao amin'ny Afobe, ary izany dia amin’ny andro farany. Ny fahatelo: Amin’ny fakam-panahy eo amin’ny fiainana, amin’ny filana eto an-tany izay voarara sy ny zavatra mampisalasala izay manary eo aminy, ary amin’ny fakam-panahin’ny fahafatesana, izany hoe amin’ny ora hahafatesana, amin’ny fialana amin’ny finoana silamo na ny Sonnah, na amin’ny fakam-panahin’ny fasana, toy ny fanontanian'ireo anjely roa. Ny faha efatra: Ny fakam-panahy ataon’ny Mesia sandoka izay hivoaka amin’ny fotoana farany, hotsapain’Allah ireo mpanompony amin'ny alalany, Nitononony manokana izy io noho ny haleben'ny fitsapana hoentiny sy ny famerezana hoentiny.

Source
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Download image

Saved at original quality