Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny Fikh sy ny fitspiny

Tatitra azo avy tamin'i Abou Horaira (RA) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :

Available in 64 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Abou Horaira (RA) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Ny voajanahary dia zavatra dimy : Ny famorana, ny fanadiovana ny volo miafina, ny fanapahana ny volombava ambony, ny fanalana ny hoho, ary ny fanongotana volokelika.."»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nanazava ny fomba dimy amin'ny finoana Islam sy ny fomban'ireo iraka rehetra ny Mpaminany (S.A.W) : Ny voalohany amin'izy ireo : Famorana, izany dia ny fanapahana ny hoditra mihoatra eo amin'ny filahiana eo ambonin'ny lohan'ny filahiana, ary fanapahana ny lohan'ny hoditra eo amin'ny fivavian'ny vehivavy eo ambonin'ny toerana fampidirana. Ny faharoa : Fanadiovana henatra, izany dia ny fanapahana ny volovolo manodidina ny henatra aloha. Fahatelo : Fanapahana ny volombava ambony, izany dia ny fanapahana izay maniry eo ambonin'ny molotra ambony ka noho izany dia miseho ny molotra. Fahefatra: Fanapahana hoho. Fahadimy : Fanongotana volokelika.

Source
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Download image

Saved at original quality