Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny Fikh sy ny fitspiny

Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

Available in 70 languages
«Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay nitsangana amin'ny alin'ny lahatra (Laylatoul-kadri) tamin'ny fo feno finoana sy fanatenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha".»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Mampafantatra i Mpaminany (S.A.W) momba ireo fahasoavan'ny fitsanganana manompo Allah amin'ny alinan'ny lahatra izay hita ao amin'ny folo andro farany amin'ny Ramadany, ary izay miezaka manatanteraka ny Swalat sy fangatahana Douan ary ny famakiana ny Koroany, ary ny fanaovana Zikr, mino sy manantena fahasoavana amin'izany, manantena ihany koa ny valisoa avy amin'Allah amin'ny asa rehetra izay vita, tsy misy fisehosehoana na fireharehana, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana vitany.

Source
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Download image

Saved at original quality