Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny foto-pinoana

Tatitra azo avy amin'i Twariq Ibn Ashyam (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

Available in 65 languages
«Tatitra azo avy amin'i Twariq Ibn Ashyam (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay miteny hoe : Là ilàha illal-làhou, ary tsy mankato ny zavatra hafa ankoatran'i Allah dia fady ny maka ny harenany sy ny ràny fa ny fitsarana azy dia any amin'ny Tompo Allah.»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Mampahafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa izay rehetra mijoro vavolom-belona amin'ny lelany hoe : " Là ilàha illal-làhou" izay midika hoe : Tsy misy mendrika ho tompoina am-pahamarinana afa-tsy i Allah irery ihany, ary tena mikomy tanteraka ireo rehetra tompoina hafa ankoatr'i Allah, ary manalavitra ny finoana rehetra ankoatry ny finoana Islam, dia voaharo ny harenany sy ny ràny amin'ireo vahoaka mpino silamo rehetra, isika dia tsy afaka mitsara afa-tsy izay hita aty ivelany amin'ny asa ataony, ka tsy afaka sintonina ny harenany ary tsy alatsaka ny ràny, Raha tsy hoe nanao heloka bevava izay mitaky fanamelohana azy araka ny fepetran'ny finoana Islam. afa-tsy rehefa manatanteraka ireo habibina na hadalana izay mitaky fampiharana lalàna eo Aminy amin'ireo lalànan'ny finoana Islam. Ary i Allah no mandray an-tànana ny fitsarana momba azy amin'ny andro farany, raha marina izy dia ho valiany soa, fa raha mpihatsaravelatsihy kosa izy dia ho saziny amin'izany.

Source
Notantaraiin'i Moslim
Download image

Saved at original quality