Ny foto-pinoana
Tatitra azo avy tamin'i Mouazy (R.A), Niteny hoe :
Available in 71 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Mouazy (R.A), Niteny hoe : Nitaingina tao aorian'ny Mpaminany (S.A.W) Aho tamin'ny apondra antsoina hoe : Oufair, dia Niteny Tamiko Izy ny hoe : " O ! Ry Moua'zh, fantatrao va inona ny Zon'i Allah amin'ireo mpanompony, ary inona ihany koa ny Zon'ireo mpanompony amin'i Allah ? " ka Namaly Aho : Tompo Allah sy ny Irany ihany no mahalala izany, ary Niteny Izy ka nanao hoe : fa ny Zon'i Allah amin'ny mpanompony dia ny manompo Azy ary tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa, ary ny Zon'ireo mpanompo amin'i Allah dia tsy manasazy an'izay tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa na dia kely aza ", ka hoy Aho manao hoe : O ! Ry Iraka'Allah moa va tsy holazaiko amin'ny olona rehetra izany? Dia namaly izy (S.A.W) ka nanao hoe : "Aza ambara fa manjary miankin-doha amin'izany avokoa izy ireo ".»Meaning translation ·
Saved at original quality








