Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny Fikh sy ny fitspiny

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A) niteny manao hoe :

Available in 60 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A) niteny manao hoe : Niteny ny irak'Allah tamin'ny vehivavy iray avy amin'ny Ansôara izay nantsoin'i Ibn A’bbàs tamin'ny anarany, saingy adinoko ny anarany : "Inona no manakana anao tsy hanao Hajj miaraka aminay?" Namaly izy hoe : Tsy nanana afa-tsy rameva roa izahay, ka lasan'ny rain-janany sy ny zanany ny rameva iray hanavaon'izy roa Hajj ary namela rameva iray hikarakaranay ny volinay, dia niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Rehefa tonga ny Ramadany dia manaova Oumra ianao, satria ny Oumra amin'io volana io dia mitovy amin'ny Hajj".»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Rehefa niverina avy tamin'ny Hajj fanaovam-beloma ny Mpaminany (S.A.W), dia niteny tamin'ny vehivavy Ansoary iray izay tsy nanao Hajj hoe : Inona no nanakana anao tsy nanao ny Hajj niaraka taminay? Ka niala tsiny izy satria tsy nanana afa-tsy rameva roa izy ireo, ka ny vadiny sy ny zanany dia nanao Hajj tamin’iray tamin’izy roa, ary ny iray kosa nampiasaina tamin'ny fantsakana rano amin’ny vovo . Dia nanazava taminy ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fanaovana Oumra amin'ny volana Ramadany dia mitovy amin'ny valisoan'ny Hajj.

Source
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Download image

Saved at original quality