Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Tatitra azo avy tamin'i Abd Ar-Rahman ibn Abi Layla, tao amin'i Hodhayfah izy ireo, ary nangataka rano izy, ary nisy olona majosi (mpanompo afo) nanome azy rano hosotroiny, rehefa nametraka ny kaopy teny an-tànany izy dia nariany ary niteny hoe : Raha tsy noho ny tsy nandrara azy indray mandeha na indroa aho - toy ny te hiteny hoe : tsy nanao izany aho - saingy nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) aho niteny manao hoe :

Available in 60 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Abd Ar-Rahman ibn Abi Layla, tao amin'i Hodhayfah izy ireo, ary nangataka rano izy, ary nisy olona majosi (mpanompo afo) nanome azy rano hosotroiny, rehefa nametraka ny kaopy teny an-tànany izy dia nariany ary niteny hoe : Raha tsy noho ny tsy nandrara azy indray mandeha na indroa aho - toy ny te hiteny hoe : tsy nanao izany aho - saingy nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) aho niteny manao hoe : "Aza mitafy lamba landy na lasoa ianareo, ary aza misotro amin'ny vilia volamena na volafotsy, ary aza mihinana amin'ny zavatra vita amin'izany, satria ho azy ireo ny eto an-tany ary ho antsika kosa ny any an-koatra."»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nandrara ny fitafina ny lamba landy amin'ny karazany rehetra ny Mpaminany (S.A.W). Ary norarany ireo lehilahy sy ireo vehivavy tsy hihinana sy hisotro amin’ny vilia volamena sy volafotsy. Nolazainy fa voatokana ho an’ny mpino izany amin’ny andro farany. Satria nanalavitra izany izy ireo teto an-tany noho ny fankatoavana an’Allah. Fa ireo tsy mpino kosa dia tsy manana anjara any ankoatra. Satria nanafaingana ny hatsarany izy ireo tamin’ny fiainany teto an-tany tamin’ny fakana izany, sy ny fikomin'izy ireo ny didin’Allah.

Source
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Download image

Saved at original quality