Ny foto-pinoana
Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) niteny izy :
Available in 55 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) niteny izy : Nisy lehilahy iray nanontany ny Mpaminany (S.A.W) momba ny ora farany manao hoe : Rahoviana ny ora farany? dia namaly izy : “Mba inona no nomaninao ho amin’izany?” Hoy ilay rangahy : Tsy misy na inona na inona afa-tsy ny fitiavako an’I Allah sy ny irany. Dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : "ianao dia miaraka amin'izay tianao". Hoy i Anas : Tsy nisy teny nahafaly anay mihoatra io tenin’ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Ianao dia miaraka amin’izay tianao". Mbola niteny i Anas manao hoe : "Tiako ny Mpaminany (S.A.W) sy i Abo Bakr ary i Omar, ary manantena ny hiaraka amin’izy ireo aho noho ny fitiavako azy ireo, na dia tsy manao asa soa goavana toy ny nataon'izy ireo aza aho.»Meaning translation ·
Saved at original quality








