Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny foto-pinoana

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :

Available in 55 languages
«Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Hitohy hatrany ny fitsapana ho an’ny mpino, na lahy na vavy, eo amin’ny fiainany sy ny zanany ary ny fananany, mandra-pihaonany amin’I Allah, ary tsy hisy ota intsony eo aminy”.»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Milaza ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Ny loza sy ny fitsapana dia tsy misaraka amin'ny mpanompo lahy sy vavy, eo amin'ny tenany toy ny fahasalamany sy ny vatany, eo amin'ireo zanany toy ny aretina sy fahafatesana na tsy fanajan'ny zanaka, na hafa ankoatr'izany,eo amin'ny hareny, toy ny fahantrana, ny fanjavonan’ny varotra, ny halatra, ny fitotonganan’ny fivelomana, ary ny fahasahiranana eo amin’ny asa fivelomana, mandra-pamafan'I Allah ny fahotany rehetra amin'ny alalan'izany fitsapana izany, ka rehefa mihaona amin’I Allah izy dia efa voadio ny fahotana rehetra vitany.

Source
Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
Download image

Saved at original quality