Hadith for the World
Ny sakafom-panahy sy ny toriteny

Fanadiovana ny fanahy

9 hadiths

9 hadiths

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Hitohy hatrany ny fitsapana ho an’ny mpino, na lahy na vavy, eo amin’ny fiainany sy ny zanany ary ny fananany, mandra-pihaonany amin’I Allah, ary tsy hisy ota intsony eo aminy”.Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
Tatitra azo avy amin'i Sohaib (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Mahagaga tokoa ny fiainan'ny mpino, satria ny fiainany rehetra dia tsara avokoa, ary tsy hita amin'ny olon-kafa izany afa-tsy amin'ny mpino ihany, raha ny zava-tsoa nahazo azy dia mankasitraka ka tsara ho azy izany, ary raha tra-pahorina dia miharitra ka tsara ho azy ihany koa".Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Omar (R.A) niteny izy : nandray ny soroko ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : “Meteza ianao eto an-tany ho toy ny mpivahiny na mpadalo fotsiny" Ary i Ibn Omar dia niteny hoe : Raha mahatratra ny hariva ianao dia aza miandry ny maraina, ary raha mahatratra ny maraina dia aza miandry ny hariva, ary araraoty amin'ny fahasalamanao ny aretinao, ary araraoty ny fahavelomanao ho amin'ny fahafatesanao.Notantarain’i Bokhari
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : Aza mifampialona ianareo, aza mifanongom-barotra amin'ny lavanty raha tsy hividy, aza mifankahala, aza mifanome lamosina, aza mivarotra handravana ny varotry ny hafa (raha efa nifanaraka ny mpividy sy ny mpivarotra amin'ny entana sy ny vidiny); fa meteza ianareo ho mpanompo an'I Allah mpirahalahy. Ny mpino silamo dia rahalahin'ny mpino silamo namany; ka tsy anaovany ny tsy rariny izy, tsy avelany irery (rehefa mila azy), tsy andaingany, tsy ambanimbaniny. Ny fahatahorana an'I Allah dia ato, naveriny intelo izany, sady manondro ny fony izy miteny azy. Ampy mampiseho ny haratsiam-panahin'olona iray ny fanambaniany ny rahalahiny mpino silamo. Ny rehetra mikasika ny mpino silamo dia fady avokoa, tsy azon'ny mpino silamo kasikasihina : ny ràny (ainy) sy ny fananany ary ny haja amam-boninahiny.Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Jereo izay ambany aminareo, ary aza mijery izay ambony aminareo, fa tsara kokoa raha tsy manao tsinontsinona ny fitahian'I Allah aminareo."Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Misy fahasoavana roa no adinodinon'ny olona maro : Ny fahasalamana sy ny fanànana fotoana malalaka.”Notantarain’i Bokhari
Tatitra azo avy tamin'i Abi Màlik Al -Ach'ary (R.A) niteny : Niteny ilay Irak'Allah (S.A.W) manao hoe : " Ny fidiovana dia tafiditra ho anisany an-tsasakin'ny finoana; ary ny fitenenana hoe : "Alhamdolillah " (Dera sy vonahitra ary fisorana feno fankasitrahana ho an'i Allah) dia mameno ny mizana; vato fan-dajana ny fitenenana hoe : " Soubehànallwahi wal-hamdolillàhy " (Midera sy mankasitraka an'i Allah) dia mameno ny manelanelana ny lanitra sy ny tany izany ; ny Soalat (fanompoam-pivavahana an'i Allah) dia hazavana; ny Soadakat (fanomezana an-tsitrapo) dia porofo (amin'ny fahamarinan'ny finoana); ny faharetana dia fanilo, ary ny boky masina Koroany dia porofo miaro Anao amin'ny rehetra na mety manohitra Anao ihany koa. Ka ny olona rehetra dia samy mivoaka avokoa amin'ny maraina, ary mivarotra ny tenany (amin'ny alalàn'ny fampiasana azy mba hahazoana ny takalo izay ilaina), ka na manavotra azy Izy amin'izany, na koa mandentika azy. "Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Sofian Bin Abdillahi At-Thaquafi (R.A) niteny izy : Hoy aho : Ry irak'Allah ô, lazao zavatra momba ny finoana silamo aho, izay tsy hanontaniako olon-kafa intsony ankoatra anao. Dia hoy izy : “Lazao hoe : Mino an’Allah aho, avy eo mijoroa mahitsy ianao”.Notantarain'i Moslim sy Ahmad
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Olona fito no ahazo halokaloky ny tompo Allah amin'ny andro izay tsy misy haloka afa-tsy ny halony irery ihany : Mpitarika amin'ny làlana mahitsy, tanora voataiza tao anatin'ny fanompoana an'I Allah, olona nanankina ny fony amin'ny Moske, olona roa nifankatia noho ny tompo Allah ka nitambatra vokatr'izany ary nisaraka noho izany ihany koa, lehilahy iray nantsoin'ny vehivavy tsara tarehy sy mpanan-karena mba hijangajanga aminy saingy niteny hoe : Izaho dia matahotra an'I Allah, olona namoaka fanomezana tsy nirehareha; ka ny tànany havia aza tsy nahalala izay navoaky ny tànany havanana, ary olona iray nahatsiaro an'I Allah no latsa-dranomaso ka nihafara tamin'ny fahajambana".Notantarain’i Bokhari sy Moslim