Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Tatitra azo avy amin'i Sohaib (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

Available in 60 languages
«Tatitra azo avy amin'i Sohaib (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Mahagaga tokoa ny fiainan'ny mpino, satria ny fiainany rehetra dia tsara avokoa, ary tsy hita amin'ny olon-kafa izany afa-tsy amin'ny mpino ihany, raha ny zava-tsoa nahazo azy dia mankasitraka ka tsara ho azy izany, ary raha tra-pahorina dia miharitra ka tsara ho azy ihany koa".»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Mahagaga an'ny Mpaminany (S.A.W) ny raharahan'ny mpino sy ny toe-piainany amin'ny fomba mendrika. Izany dia satria tsara avokoa ny toe-piainany rehetra, ary tsy hita izany afa-tsy amin'ny mpino irery ihany; Raha nahazo zava-tsoa dia nankasitraka an'Allah, dia hahazo valisoa tamin'ilay fanakasitrahana izy, ary raha tra-pahorina dia niharitra sy nanantena valisoa avy amin'Allah izy, dia hahazo valisoa tamin'ilay fiharetana, ka izy dia hahazo valisoa amin'ny toe-piainany rehetra.

Source
Notantaraiin'i Moslim
Download image

Saved at original quality