Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :

Available in 60 languages
«Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Tsy hiditra any amin’ny paradisa ianareo raha tsy mino, ary tsy hino ianareo raha tsy mifankatia, moa tsy holazaiko zavatra iray ve ianareo ka raha manao izany ianareo dia hifankatia? Aparitaho ny fiarahabana eo aminareo".»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy hiditra ny Paradisa raha tsy ireo mpino ihany, ary tsy ho feno ny finoana ary tsy mihatsara ny fiarahamonina silamo raha tsy mifankatia samy izy ireo. Dia notarihin'ny Mpaminany (S.A.W) ho amin'ny zavatra tsara indrindra izay hampanjaka ny fitiavana, dia ny fampielezana fifampiarahabana (salamo) eo amin'ny samy mpino silamo, izay nataon'Allah ho fiarahabana amin'ireo mpanompony.

Source
Notantaraiin'i Moslim
Download image

Saved at original quality