Hadith for the World
Ireo tombotsoa

Vokatsoan'ny asan'ireo rantsana ivelany

6 hadiths

6 hadiths

Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay miahy sy manampy ny vehivavy mananotena (maty vady) sy ny mahantra dia toy ny miady amin'ny làlan'Allah, na koa tahaka ny mitsangana mivavaka amin’ny alina na mifehy amin’ny atoandro.”Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy amin'i Thaobani (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny vola tena tsara indrindra dia ny vola izay navokan'ny olona mba ho fanomezana amin'ireto manaraka ireto : vola izay avoakany ka nomeny ireo ankohonany, ny vola izay avokan'ny olona amin'ny biby ho fitainginy noho ny Allah, ary ny vola izay laniny amin'ireo namany noho ny amin'I Allah" Niteny i Abou Qilabah : nanomboka tamin’ireo ankohonany, avy eo i Abo Qilabah dia niteny hoe : Iza no olona mahazo valisoa lehibe mihoatra ny olona mandany vola amin’ny havany, dia hamela ny helony Allah na hanasoa sy hampanan-karena azy ireo.Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Rehefa manao Ozo ny mpanompo iray" na "mpino iray", Ka manasa ny tarehiny, dia mivoaka amin'ny tarehiny miaraka amin'ilay rano ny fahotana rehetra nojeren'ny masony" na miaraka amin'ilay rano farany nilatsaka amin'ny tany". Rehefa manasa ny tànany anakiroa izy dia mivoaka manaraka ny rano mikoriana avy amin'ny tànany ihany koa ireo fahotana rehetra nataon'ny tànany". Rehefa manasa ny tongony anankiroa izy dia mivoaka manaraka ny rano mikoriana avy amin'ny tongony ireo fahotana rehetra nataon'ny tongony". na "mivoaka miaraka amin'ny rano farany milatsaka". Farany dia "Mivoaka madiodio amin'ireo fahotana rehetra vitany izy".Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Tsy hiditra any amin’ny paradisa ianareo raha tsy mino, ary tsy hino ianareo raha tsy mifankatia, moa tsy holazaiko zavatra iray ve ianareo ka raha manao izany ianareo dia hifankatia? Aparitaho ny fiarahabana eo aminareo".Notantaraiin'i Moslim
عن أبي هريرة رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم : «من قتل وَزَغَةً فِي أَوَّلِ ضَرْبَةٍ فله كذا وكذا حسنة، ومن قتلها في الضَّرْبَةِ الثانية فله كذا وكذا حسنة دون الأولى، وإن قتلها في الضربة الثالثة فله كذا وكذا حسنة». وفي رواية: «من قتل وَزَغًا في أول ضربة كتب له مائة حسنة، وفي الثانية دون ذلك، وفي الثالثة دون ذلك».رواه مسلم
عن أبي سعيد الخُدْرِي رضي الله عنه قال: جاءت امرأة إلى رسول الله صلى الله عليه وسلم فقالت: يا رسول الله، ذهب الرجال بِحَدِيثِكَ، فاجْعَل لنَا من نَفْسِك يومًا نَأتِيكَ فيه تُعَلِّمُنَا مما عَلَّمَكَ الله، قال: «اجْتَمِعْنَ يَوَم كَذَا وكَذَا» فَاجْتَمَعْنَ، فأتَاهُنَّ النبي صلى الله عليه وسلم فَعَلَّمَهُنَّ مما عَلَّمَهُ الله، ثم قال: «ما مِنْكُنَّ من امرأة تُقَدِّمُ ثَلاَثَة من الولد إلا كانوا حِجَابًا من النَّارِ» فقالت امرأة: واثنين؟ فقال رسول الله صلى الله عليه وسلم : «واثنين».متفق عليه