Hadith for the World
Ireo tombotsoa

Vokatsoan'ny fahatsiarovan an'Allah

10 hadiths

10 hadiths

Tatitra azo avy tamin'i Abo Darda (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy hambarako anareo ve ny tsara indrindra amin’ny asanareo, izay madio indrindra eo imason’ny Mpanjakanareo, izay ambony indrindra eo amin’ny voninahitrareo ary tsara kokoa ho anareo noho ny famoahana volamena sy ny vola, ary tsara kokoa ho anareo mihoatra fifandonanareo amin'ny fahavalonareo ka tapahinareo ny vozony ary hotapahainy ny vozonareo?" Namaly izy ireo hoe : Eny dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Ny fahatsiarovana an’i Allah ilay Tsitoha”.Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad
Tatitra azo avy tamin'i Abou Horaira (R.A) niteny izy : Nandeha teny amin'ny làlan'ny Makka ny Mpaminany (S.A.W) ka nandalo teo amin'ny tendrombohitra iray antsoina hoe : "Jomdan", dia hoy izy hoe : Mandehana ianareo fa io i Jomdan, nialoha làlana ireo mofarridona". nanontany ireo mpanara_diany hoe : iza ireo Mofarridona ry irak'i Allah ? dia namaly izy hoe : "Ireo izay mpahatsiaro an'I Allah im-betsaka lahy na vavy".Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Al-Aghar, izay iray amin'ireo mpiaradian'ny Mpaminany (S.A.W) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ry olombelona, ​​mibebaha amin’I Allah, fa izaho dia mibebaka Aminy in-jato isan’andro.”Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'Abou Huraira (RA) Azo avy tamin'ny Mpaminany (S.A.W), araky ny notantarainy avy tamin'ny tompony manao hoe : "Nanota ny mpanompo iray ka niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, avy eo dia niverina nanota izy dia niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, avy eo dia niverina nanota izy dia niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, ataovy izay tianao atao fa efa navelako ny fahtoanao".Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عن أبي ذر الغفاري رضي الله عنه عن النبي صلى الله عليه وسلم قال: «ألاَ أُخْبِرُكَ بِأَحَبِّ الكَلاَمِ إِلَى اللهِ؟ إنَّ أَحَبَّ الكلام إِلى الله: سبحان اللهِ وبحمدِهِ».رواه مسلم
عن أبي هريرة رضي الله عنه مرفوعاً: «والذي نفسي بيده، لو لم تذنبوا، لذهب الله بكم، وجاء بقوم يُذْنِبُونَ، فيستغفرون اللهَ تعالى، فيغفر لهم».رواه مسلم
عن أبي سعيد الخدري رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم : "الْبَاقِيَاتُ الصَّالِحَاتُ، لَا إلَهَ إلَّا اللَّهُ، وَسُبْحَانَ اللَّهِ، وَاَللَّهُ أَكْبَرُ، وَالْحَمْدُ لِلَّهِ، وَلَا حَوْلَ وَلَا قُوَّةَ إلَّا بِاَللَّهِ".رواه ابن حبان والحاكم، أما النسائي فرواه في الكبرى لكن من حديث أبي هريرة
Tatitra azo avy tamin'i Abou Horairah (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay miteny hoe : Soubou-hànalloahy wa bihamidihy (Dera sy fisaoarana ho an'i Allah) in-jato isanandro, dia voafafa avokoa ny helony na dia tahaky ny rotran-dranomasina".Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Amro bin Al-À’si (R.A), izy nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “Rehefa mandre ny mpiantso amin’ny Azan ianareo, dia lazao izay lazainy, dia mivavaha ho ahy, fa izay mivavaka indray mandeha ho ahy, dia hitahy azy impolo Allah, aorian'izany dia angataho amin’Allah ho ahy ny "wasìlat" fa izany dia toerana avo ao amin’ny Paradisa, tsy mendrika ho amin’izany raha tsy mpanompon’Allah iray ihany, ary manantena aho fa izaho no izy, ka izay mangataka amin’Allah ho ahy "wasìlat, dia hahazo ny fanelanelanakol".Notantaraiin'i Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Othman bin Abi Al-'Asi (R.A) : Tonga tany amin’ny Mpaminany (S.A.W) izy ary niteny hoe : Ry irak’Allah ô! Noelanelanin'ny Satana amin'ny fivavahako sy ny famakiako aho, nosaromany tamiko izany. Niteny ilay Irak'Allah (S.A.W) hoe : "izany dia devoly antsoina hoe Khinzab, ka raha tsapanao izy dia mitadiava fiarovana amin’Allah amin’izany, ary tsofy amin’ny tànanao ankavia intelo.”, hoy izy : “Dia nataoko izany, ka nesorin’Allah tamiko izy.Notantaraiin'i Moslim