Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

Available in 49 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Misy fahasoavana roa no adinodinon'ny olona maro : Ny fahasalamana sy ny fanànana fotoana malalaka.”»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nilaza momba ny fahasoavana roa lehibe avy amin'I Allah ho an'ny olombelona i Mpaminany (S.A.W), ​​izay maro no very noho ny nandaniany izany tamin'ny fomba diso : Ka raha nitambatra tamin'ny olona iray ny fahasoavan'ny fahasalamana sy ny fanànany fotoana malalaka, ary ny hakamoana mandresy azy amin'ny fankatoavana, dia izy no maty antoka. Izany no mitranga amin’ny ankamaroan’ny olona, ​​ary raha mampiasa ny fotoanany malalaka sy ny fahasalamany izy mba hankatò an’I Allah, dia izy no mpandresy. Satria ity tontolo ity dia toeram-pambolena any ankoatra, ary misy varotra izay atao ka any ankoatra no handraisana ny tombom-barotra, ary ny fahabangana dia arahin'ny asa, ary ny fahasalamana dia arahin'ny aretina, ary raha tsy misy afa-tsy ny fahanterana dia ampy izay.

Source
Notantarain’i Bokhari
Download image

Saved at original quality