Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) niteny :

Available in 70 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) niteny : Nanontaniana ilay Iraka mahafatokin’i Tompo Allah (S.A.W) ny amin’izay tena mampiditra ny Olona ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy nanao hoe : “ Fatahorana an’i Tompo Allah sy fananana toetraTtsara ”, ary nanontaniana Izy ny amin’izay tena mitondra ny Olona ho any amin’ny Afobe . ka nanao hoe : “ Ny Vava sy ny Taovam-pananahana ”.»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa ny antony lehibe indrindra hidirana ny Paradisa dia antony roa izany dia : Ny Fatahorana an'i Tompo Allah sy fanànana fitondran-tena Tsara sy Mendrika. Koa ny Fahatahorana an’i Tompo Allah : dia ny fametrahana fiarovana eo Aminao sy famaizan’i Tompo Allah, ary izany dia ny fanatanterahana ny Didiny sy ny fialana amin’ny Fandrarany. Fitondran-tena Mendrika dia : Atao amin’ny fitsikina eo amin’ny Tarehy sy ny fanaovana Asa soa ary ny fitsaharana amin’ ny Ratsy. Ny antony lehibe indrindra hidirana amin'ny Afobe dia antony Roa : Ny Lela sy ny Taovam-pananahana. Anisan’ny Ota sy Fahotana ny Lela : Mandainga, Mifosafosa, Fitondrana resaka mampiady, sy ny hafa. Anisan'ny Ota sy Fahotana ny Taovam-pananahana dia : Ny fijangajangana, ny Sodomia, sy ny hafa.

Source
Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad
Download image

Saved at original quality