Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Bin Omar (R.A) niteny : Isan'ireo Doan nataon'ny Mpaminany (S.A.W) ny hoe :

Available in 53 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Bin Omar (R.A) niteny : Isan'ireo Doan nataon'ny Mpaminany (S.A.W) ny hoe : "Allah ô! Mitady fiarovana Aminao aho amin'ny fanjavonan'ny fahasoavanao, ny fiovan'ny fahasalamana avy Aminao, ny fahatampohan'ny valifatinao, ary ny fahatezeranao rehetra.»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nitady fiarovana tamin'ny zavatra efatra i Mpaminany (S.A.W) : Ny voalohany : (Allah ô, mitady fiarovana Aminao aho amin’ny fanjavonan’ny fahasoavanao) na ara-pinoana na ara-piainana, ary tsy hivadika amin’ny finoana silamo ary hanalavitra ny filatsahana ao anaty fahotana izay manala ny fahasoavana. Ny faharoa : (ary fiovan'ny fahasalamanao) amin'ny fanovana izany ho amin'ny fahoriana; mangataka Aminao aho mba hanana fahasalamana sy fiarovana amin'ny fanaintainana sy ny aretina. Fahatelo : (ary ny fahatampohan'ny valifatinao) fahoriana na loza, ny sazy raha tonga tampoka sy tsy ampoizina, dia tsy hisy fotoana hibebahana sy hanitsiana azy, ary ho lehibe sy mafy kokoa ny iharan’izany. Fahefatra : (sy ny fahatezeranao rehetra) sy ny anton'ny fahatezeranao; Izay olona mahatezitra anao dia diso fanantenana sy very. Ary i nampiasa ny teny maro; Mba hampidirana ny anton’ny fahatezerany rehetra, amin’ny teny sy amin’ny asa ary amin’ny finoana.

Source
Notantaraiin'i Moslim
Download image

Saved at original quality