Hadith for the World
Ny foto-pinoana

Ny finoanana ny fisiany andro farany :

26 hadiths

26 hadiths

Tatitra azo avy tamin'i Abdollah Bin Mas’odi (R.A) : Niteny ny Irak'allah (S.A.W) manao hoe : “Ny zavatra voalohany hitsarana ny olona amin’ny andro farany dia ny fandatsahan-drà”.Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) niteny izy : Nisy lehilahy iray nanontany ny Mpaminany (S.A.W) momba ny ora farany manao hoe : Rahoviana ny ora farany? dia namaly izy : “Mba inona no nomaninao ho amin’izany?” Hoy ilay rangahy : Tsy misy na inona na inona afa-tsy ny fitiavako an’I Allah sy ny irany. Dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : "ianao dia miaraka amin'izay tianao". Hoy i Anas : Tsy nisy teny nahafaly anay mihoatra io tenin’ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Ianao dia miaraka amin’izay tianao". Mbola niteny i Anas manao hoe : "Tiako ny Mpaminany (S.A.W) sy i Abo Bakr ary i Omar, ary manantena ny hiaraka amin’izy ireo aho noho ny fitiavako azy ireo, na dia tsy manao asa soa goavana toy ny nataon'izy ireo aza aho.Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عن مرداس الأسلمي رضي الله عنه قَالَ: قَالَ النَّبِيُّ -صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ-: «يذهب الصالحون الأول فالأول، ويبقى حُثَالَةٌ كَحُثَالَةِ الشعير أو التمر لا يُبَالِيهُم الله بَالَةً».رواه البخاري
Tatitra azo avy amin'i Zaynab Binti Djahsh (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy misy Tompo marina afa-tsy Allah, Loza ho an’ny Arabo noho ny faharatsiana efa manakaiky, nisokatra toy izao androany vala nanidina an’i Goga sy Magoga.” Dia nanondro ny ankihiben-tànany sy ny rantsan-tànany manaraka ny Mpaminany (S.A.W), dia hoy i Zainab binti Djahsh: Ry irak'Allah ô! : Ho rendrika ve isika nefa eo amintsika ireo olona mendrika? Namaly izy hoe : “Eny, rehefa besaka ny faharatsiana.”Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عن معاذ بن أنس رضي الله عنه مرفوعًا: «مَن كَظَمَ غَيظًا، وَهُو قادر على أن يُنفِذَه، دَعَاه الله سبحانه وتعالى على رؤوس الخَلاَئِق يوم القيامة حتَّى يُخَيِّره من الحُور العَين مَا شَاء».رواه أبو داود والترمذي وابن ماجه وأحمد
عن أبي هريرة رضي الله عنه مرفوعًا: «إِنَّ الله تَعَالى يَقُول يَوْمَ القِيَامَة: أَيْنَ المُتَحَابُّونَ بِجَلاَلِي؟ اليَوم أُظِلُّهُم فِي ظِلِّي يَوْمَ لاَ ظِلَّ إِلاَّ ظِلِّي».رواه مسلم
Tatitra azo avy amin'i Obada (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay mijoro ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miombona Aminy, ary i Mohammad dia mpanompony sy Irakany, ary i Jesoa dia mpanompon’Allah sy Irany, ary ny teniny no natolony an’i Maria sy fanahy avy any Aminy. Ary misy tokoa ny Paradisa, ary misy ihany koa ny afobe, dia hampidirin’I Allah ao amin’ny Paradisa izy noho ny asany”.Notantarain’i Bokhari sy Moslim
عن معاذ بن جبل رضي الله عنه عن رسول الله صلى الله عليه وسلم أنه قال: «قَالَ اللهُ -عَزَّ وجَلَّ-: المُتَحَابُّون فِي جَلاَلِي، لَهُم مَنَابِرُ مِن نُورٍ يَغْبِطُهُم النَبِيُّونَ والشُهَدَاء».رواه الترمذي وأحمد
عن أبي هريرة رضي الله عنه أن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال: «إنَّ في الجنَّة مائةَ دَرَجَة أعَدَّهَا الله للمُجاهِدين في سَبِيل الله ما بَيْنَ الدَّرَجَتَيْنِ كما بين السماء والأرض».رواه البخاري
Tatitra azo avy amin'i Abo Huoraira (R.A), Niteny i Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Izay namindra fo ka nanome fe-potoana fanampiny ho an'olona sahirana, na koa nanome fanamaivanana ho azy, dia omen'i Allah haloka manokana izy ao ambanin'ny haloky ny seza fiandrianany amin'ny andro fitsarana, izay tsy andro tsy misy haloka afa-tsy ny halony".Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
Tatitra azo avy tamin'i Abo Bazra Al-Aslami (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy hihetsika ny tongotry ny mpanompo iray amin’ny andro farany raha tsy efa anontaniana ny amin’ny nandaniany ny fiainany, ny fahalalany tamin’ny nampiasany azy, ary ny hareny tamin’izay nahazoany sy ny nandaniany azy, ary ny vatany tamin'ny nanapotehany azy".Notantarain'i Al-Tirmizì
عن أبي أمامة رضي الله عنه قال: سمعتُ رسولَ اللهِ صلى الله عليه وسلم يقولُ: «اقْرَؤُوا القرْآنَ؛ فَإنَّهُ يَأتِي يَوْمَ القِيَامَةِ شَفِيعًا لأَصْحَابِهِ».رواه مسلم
عن جابر بن عبد الله رضي الله عنهما قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم : «يُبْعَثُ كلُّ عبدٍ على ما مات عليه».رواه مسلم
Tatitra azo avy amin'i Jarir Bin Abdillahi (R.A) niteny hoe : Niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) izahay, ary nijery ny volana Izy indray alina - volana fenomanana - ka nilaza hoe : “ Fa ho hitanao tokoa ny Tomponareo tahaka ny fahitanao ity volana ity, Aza manahy ianareo ny amin’ny fahitana azy, ary raha azonareo atao ny tsy manao antsirambina ny vavaka alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy alohan’ny filentehany, dia ataovy izany.” Ary namaky izy ny andininy : “{Ary mankalazà ny fiderana ny Tomponareo alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy alohan’ny filentehan’ny masoandro}»-Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abo Darda (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) : "Izay mahay tsianjery andininy folo manomboka amin'ny fiandohan'ny Surah Al-Kahf dia ho voaro amin'ny Dajjal (Antikristy)." Ary amin'ny fitantarana iray : "Amin'ny faran'ny Sorat Al-Kahf."Notantaraiin'i Moslim
عن أبي هريرة رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم : « سَيْحَانُ وَجَيْحَانُ وَالفُرَاتُ والنِّيل كلٌّ من أنهار الجنة».رواه مسلم
عن أنس بن مالك رضي الله عنه مرفوعاً: «إنَّ الكافر إذا عمل حسنة، أُطْعِمَ بها طُعْمَةً من الدنيا، وأما المؤمن فإِنَّ اللهَ تعالى يدخر له حسناته في الآخرة، ويُعْقِبُهُ رزقًا في الدنيا على طاعته». وفي رواية: «إنَّ الله لا يظلم مؤمنا حسنة، يُعْطَى بها في الدنيا، ويُجْزَى بها في الآخرة، وأما الكافر فَيُطْعَمُ بحسنات ما عمل لله تعالى في الدنيا، حتى إذا أفضى إلى الآخرة، لم يكن له حسنة يُجْزَى بها».رواه مسلم
عَنْ مُعَاوِيَةَ رَضيَ اللهُ عنهُ قَالَ: سَمِعْتُ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ: «الْمُؤَذِّنُونَ أَطْوَلُ النَّاسِ أَعْنَاقًا يَوْمَ الْقِيَامَةِ».رواه مسلم
عن أبي هريرة رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم : «على أَنْقَابِ المدينةِ ملائكةٌ لا يدخلُها الطَّاعونُ، ولا الدَّجَّالُ».متفق عليه
Tatitra azo avy amin'i Jabir bin Abdollah (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : «Izay naheno AZAN ka niteny an’ity Doan ity hoe : Allahomma Rabba Hazihi Daawatit Tammat Wa swalatil Qaaiima Aati Mohammadan Al-Wassilat Wal Fadhilat Wab’athho Maqaaman Mahmodan Allazi Waad’taho, Dia hahazo fanelanelana avy amiko izy amin’ny andro fitsanganana (andro fitsarana)».Notantarain’i Bokhari
عَنْ عَبْدِ اللَّهِ بْنِ عُمَرَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُمَا: أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ: «إِنَّ أَحَدَكُمْ إِذَا مَاتَ عُرِضَ عَلَيْهِ مَقْعَدُهُ بِالْغَدَاةِ وَالعَشِيِّ، إِنْ كَانَ مِنْ أَهْلِ الجَنَّةِ فَمِنْ أَهْلِ الجَنَّةِ، وَإِنْ كَانَ مِنْ أَهْلِ النَّارِ فَمِنْ أَهْلِ النَّارِ، فَيُقَالُ: هَذَا مَقْعَدُكَ حَتَّى يَبْعَثَكَ اللَّهُ يَوْمَ القِيَامَةِ».متفق عليه
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) ka nanao hoe : " Tsy ho tonga no tsy higadona ary tsy ho avy mihitsy ny fara-Andro mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana, ka rehefa miposaka ny Andro ka hitan’ny Olona avokoa izany fiposahany avy any andrefana izany, dia eo vao lasa hino avokoa izy rehetra. Amin'ny fotoana izay : { Tsy hisy tombotsoa ny finoana Azy ho an'ny Olona izay tsy nino teo aloha, na izay tsy nahazo valisoa na kely aza tamin'ny finoany } [ Al-Ana'm 158]. Ary hitsangana ny Andro farany ka ny lehilahy roa namelatra ny lamban'izy roa eo anelanelany, ka tsy nifampivarotra na koa namalona izany. Ary ho tonga ny Andro farany ka ny lehilahy iray avy nitery ronon-drameva ka tsy tafisotro izany ary hitsangana tokoa ny ora farany ary nanamboatra kamorondranony nefa tsy tafisotro akory, Ary ho avy ny fotoana farany izay hanandratan’ny anankiray Aminareo ny haniny ho eo am-bavany nefa tsy hihinan-kanina.”Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), fa Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : " Ny afonareo dia ampahany kely amin'ny fitopolo fizarana ny amin'ny Afobe", nisy Niteny hoe : O Ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, Izany dia efa ampy. Namaly Izy ka nanao hoe : " Sivy ambin'ny Enimpolo avo heny ka ny iray amin'izany dia tahakan'ny hafanany ".Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Amro bin Al-À’si (R.A), izy nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “Rehefa mandre ny mpiantso amin’ny Azan ianareo, dia lazao izay lazainy, dia mivavaha ho ahy, fa izay mivavaka indray mandeha ho ahy, dia hitahy azy impolo Allah, aorian'izany dia angataho amin’Allah ho ahy ny "wasìlat" fa izany dia toerana avo ao amin’ny Paradisa, tsy mendrika ho amin’izany raha tsy mpanompon’Allah iray ihany, ary manantena aho fa izaho no izy, ka izay mangataka amin’Allah ho ahy "wasìlat, dia hahazo ny fanelanelanakol".Notantaraiin'i Moslim