Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny foto-pinoana

Tatitra azo avy tamin'i Abo Bazra Al-Aslami (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

Available in 61 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Abo Bazra Al-Aslami (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy hihetsika ny tongotry ny mpanompo iray amin’ny andro farany raha tsy efa anontaniana ny amin’ny nandaniany ny fiainany, ny fahalalany tamin’ny nampiasany azy, ary ny hareny tamin’izay nahazoany sy ny nandaniany azy, ary ny vatany tamin'ny nanapotehany azy".»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Manambara ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy misy olona handingana ny toeram-pitsarana ho any amin'ny Paradisa na ny Afobe mandra-panontaniana azy momba ny zavatra maro : Ny voalohany : Ahoana no nandaniany ny fiainany? Ny faharoa : Ny fahalalany, moave notadiaviny noho ny Allah? Niasa tamin’izany ve izy? Nampita izany tamin’ny olona mendrika azy ve izy? Ny fahatelo : Taiza no nahazoany ny volany, Halal sa Haram? Ary inona no nandaniany an’izany, tamin’ny zavatra ankasitrahan’i Allah sa amin’ny zavatra mahatezitra Azy? Ny fahefatra : Ny vatany, ny heriny, ny fahasalamana ary ny fahatanorany, Ahoana no nanapotehany sy nampiasainy izany?

Source
Notantarain'i Al-Tirmizì
Download image

Saved at original quality