Hadith for the World
Tap the image to view it full size
Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Tatitra azo avy tamin'i Abou Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

Available in 59 languages
«Tatitra azo avy tamin'i Abou Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy ho lazaiko aminareo ve izay hamafan’I Allah ny fahotana sy hanandratana ny voninahitra?” Namaly izy ireo : “Eny, ry irak’i Allah ô.” dia hoy izy : Ny fanaovana ozo amin'ny fotoana manahirana sy fandehana im-betsaka any amin'ny moske ary ny fiandrasana swalat aorian'ny swalat, izany no fatorana lehibe".»

Meaning translation ·

Explanation

The meaning in a few plain lines

Nanontany ny mpiara-diany ny Mpaminany (S.A.W) raha tian'izy ireo ny hitarihany azy ireo amin'ny asa izay hahazoany ny famelan-keloka, ny famafana ao amin'ny bokin'ny fandraketana asa, ary ny toerana ambony kokoa ao amin'ny Paradisa? Namaly ireo mpanara_diany hoe : Eny mila an'izany tokoa izahay, dia hoy izy : Ny voalohany dia : Ny fanaovana ouzo sy ny fitazomana azy amin'ny fotoana manahirana; Toy ny hatsiaka, tsy fahampian-drano, fanaintainan’ny vatana, ary rano mafana. Ny faharoa : Manao dingana betsaka mankany amin'ny moske, noho ny halaviran'ny trano, sy ny fiverimberenana matetika. Ny fahatelo : Fiandrasana ny fotoam-bavaka, fiatonan'ny fo aminy, miomana amin’izany, ary mipetraka ao amin’ny moske mba hiandry ny olona hiaraka hanao swalat, ka rehefa avy nivavaka izy, dia miandry ao amin’ny moske ny swalat hafa indray. Avy eo, nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ireo zavatra ireo no tena famatorana; Satria manakana ny lalan'i Satana eo amin'ny olona, mandresy ny filana ary manakana azy tsy hanaiky ny fandrebirebena, dia ho resin'ny antokon'i Allah ireo miaramilan'i Satana amin'ny alàlan'izany. Io no ady lehibe indrindra, ary toy ny andian-kery eo amin'ny lavakan'ny fahavalo.

Source
Notantaraiin'i Moslim
Download image

Saved at original quality